• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Impress
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny « bain de bouche »

15/04/2024 11:03 © Moov.Mg

Maro amintsika no tsy mahafantatra ny « bain de bouche » sy ny fampiasana azy ireny. Rehefa inona ary no tokony mampiasa « bain de bouche » ? Ahoana ny fomba fampiasana azy ? Inona ny fitandremana tsara fantatra mikasika ny fampiasana azy io ?

Inona no atao hoe « bain de bouche » ?

Ranom-panafody fanontsanam-bava ny « bain de bouche », arak’izany anarany izany. Ireo karazana fangaro mandrafitra azy dia miasa amin’ny famonoana ny bakteria, viriosy sy « champignons » ao anaty vava, izany hoe izay mipetraka amin’ny nify, ny akanjonify sy ny ativava. Matetika moa dia ampiasaina atao famenon’ny fiborosiana nify izy io sy mba hanomezana fofona manitra ny ativava.
Maro noho izany ireo olona mampiasa ny « bain de bouche » hiadiana ny fofom-bava ratsy. Misy ihany koa ireo mampiasa azy hitsaboana ny aretin’ny hihy sy mba hisorohana ny fahasimban’ny nify. Marihana fa tsy mahasolo ny asan’ny fiborosiana nify izy io fa manampy fotsiny ihany amin’ny famonoana ireo loto mahatonga bakteria sy viriosy ao anaty vava.

Rehefa inona no tokony mampiasa azy io ?

Misy karazany maro ny « bain de bouche ». Samy manana ny akora mandrafitra azy izy ireo tsirairay avy. Anisan’izany ohatra ny « bain de bouche au fluor » izay azo ampiasaina hikolokoloana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Ao ihany koa ny « bain de bouche antiseptique » izay ny mpitsabo ihany no afaka manome azy ho fitsaboana amin’ny otrikaretina mahazo ny ativava.
Tsy voatery mampiasa « bain de bouche » avokoa ny olona rehetra. Mety ilaina kosa nefa izy ireny amin’ireo olona :
-Tsy mahavita miborosy nify tsara ka mila mampiasa ity fanontsanam-bava ity hanamafisana ny fanadiovana ny nify sy ny ativava ;
-Manao « appareil orthodontique » mba hanadiovana tsara ireo faritra mety manangona loto ;
-Mihinana « antidépresseurs » izay mahatonga fihenan’ny famokarana rora ao am-bava ;
-Mihinana sakafo manimba ny nify toy ny zava-pisotro mamy be matetika, sakafo marikivy…

Ahoana ny fomba fampiasana ny « bain de bouche » ?

Marihana fa tsy tsara ampiasaina mandritra ny fotoana maharitra ny « bain de bouche ». Mety mahamasaka ny ativava izy io raha ampiasaina mihoatra ny roa herinandro. Ny « bain de bouche antiseptique » manokana moa dia tsy azo ampiasaina isan’andro fa miankina amin’izay hatetika atondron’ny mpitsabo irery ihany.
Ho an’ireo karazana « bain de bouche » fampiasa amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava dia azo ampiasaina indroa na intelo isan’andro mandritra ny roa herinandre farafaha elany. Alohan’ny hanombohana ny fampiasana azy ireny moa dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo na manontany ny farmasianina mikasika ny fomba fampiasana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo