• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Bébés Et Mamans
Image
Reny&Zaza

Torohevitra manampy mba hanamora ny fitondrana vohoka

12/04/2024 16:19 © Moov.Mg

Samy manana ny toe-batany ny bevohoka. Misy ireo miaina am-pilaminana sy anatin’ny fahasalamana tsara ny fitondrana vohoka. Maro ihany koa anefa ireo sarotiny ka mahatsiaro tena mijaly tokoa mandritra ny fotoana maha bevohoka. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy manampy mba hahamora ny fitondrana vohoka.

Manao izay mahafinaritra ny saina sy ny fo mandritra ny fitondrana vohoka

Rehefa bevohoka ny vehivavy dia lasa toa mora tezitra, kizitina, malahelo sy be tora-po. Ny fiovan’ny horominina ao amin’ny vatana moa no antony voalohany mahatonga izany. Mba ahamora ny fitondrana vohoka dia mila ezahana toherina ireo fientanam-po ireo. Ekena fa tsy mora ny manohitra azy ireny nefa kosa dia azo atao tsara izany. Mba ahavitana izany dia ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibo hatrany no eritreretina. Ankoatra izay dia miezaka hatrany mieritreritra sy manao izay zavatra mahafinaritra sy mahamiramirana. Atao matanjaka ny saina ary atao miabo foana ny toe-tsaina.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy ara-dalàna

Manan-danja lehibe amin’ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ny sakafo haninana mandritra ny fitondrana vohoka. Ny karazan-tsakafo mitondra otrikaina no atao lohalaharana. Anisan’izany ny legioma, ny voankazo, ny trondro, ny hena, ny trondro sy ny vokatra avy amin’ny ronono. Fadiana ny mihinana sakafo tsy masaka tsara sy tsy voadio tsara satria mety mitondra otrik’aretina izany. Atao voalanjalanja tsara ny sakafo hanina. Tsy mitombina ny hoe sakafo ho an’olon-droa ny hanina rehefa bevohoka. Ny otrikaina entin’izy ireo no zava-dehibe.

Manao akanjo mampahazo aina

Ilaina tokoa rehefa bevohoka ny manao akanjo mampahazo aina. Matetika rehefa manomboka mitombo ny kibo dia mahatsiaro tena teritery sy tsy avy mihaina ny bevohoka. Mba ampitoniana izany fahatsapana izany dia tsara raha manao fitafy malaladalaka sy maivamaivana. Raha azo atao dia tsy manao pataloha tery, indrindra ny tepany. Atao mifanaraka amin’ny toetrandro ihany koa ny akanjo anaovana. Raha andro mafana dia atao maivamaina sy manifinify ny lambany. Raha andro rininina kosa dia tsy mianjakanjaka satria mora idiran’ny rivotra ny bevohoka ka manjary lasa maloiloy. Ankoatra izay dia tati-nono tsy tery loatra ary tsy misy vy no anaovana.

Manetsiketsika ny vatana

Mandritra ny fitondrana vohoka dia mahatsiaro tena kamokamo, vizambizana, te hatory lava ny bevohoka. Mila toherina nefa izany fahatsapana izany mba hanamora ny fitondrana vohoka, indrindra ny fiterahana. Ho fanatanterahana izany dia mila miezaka manetsiketsika vatana hatrany. Azo atao amin’izany ny mandeha tongotra isa-maraina, ny milomano, ny manao fanatanjahantena tsy mitontontona be… Tsara kosa nefa raha manomboka ny faha efa-bolan’ny vohoka vao manao izany. Mazava ho azy fa mila mahazo alalana avy amin’ny rasazy na ny mpitsabo mampisafo ihany koa vao manomboka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo