• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Shutterstock
Image
DYI

Ireo vokatsoa sy mety ho vokadratsin’ny fihinanana akoran’atody

12/04/2024 13:37 © Moov.Mg

Fahitantsika eny amin’ireny mpivarotra ranom-boasary eny an-dalana ireny ny fampifangaroana ny akoran’atody amin’ireo voankazo hakana ranony. Fa inona tokoa ary ny vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana akoran’atody ? Tsy misy atahorana ho an’ny fahasalamana ve izany ?

Mitahiry otrikaina maro ilain’ny vatana ny akoran’atody

Manankarena otrikaina natoraly maro ny akoran’atody. Ahitana kalsioma amin’ny tahany ambony tokoa izy ireny ka ilay atao hoe « carbonate de calcium » no betsaka amin’izany. Ity farany moa dia mineraly fahita ao anatin’ireo vokatra azo avy amin’ny ronono. Marihana fa mitahiry hatramin’ny kalsioma 40% ny akoran’atody iray ka mahavita manome ny filàna ilain’ny vatan’olombelona ao anatin’ny iray andro. Ankoatra ny kalsioma dia manankarena proteina sy mineraly maro samihafa toy ny « fer », « zinc » ary « magnésium » ihany koa izy ireny.

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana akoran’atody

Noho izy manankarena kalsioma dia manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny taolana sy ny nify ny akoran’atody. Ny fihinanana azy matetika dia miaro ny taolana amin’ireo karazana aretina mety mahazo izany toy ny « ostéoporose ». Maro ihany koa etsy andaniny ireo voka-pikarohana manambara fa mandray anjara amin’ny fanamafisana nify ny akoran’atody. Ity farany ihany koa dia mitahiry « collagène » sy singa maro manatsara ny fahasalaman’ny hoditra sy ny vanintaolana ka tsara hanina matetika.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fizarana mihinana akoran’atody

Na eo aza ireo vokatsoa samihafa azo avy amin’ny fihinanana akoran’atody dia mila mitandrina hatrany satria mety misy ihany koa ireo vokadratsy aterak’izany. Marihana fa mety mitondra otrikaretina toy ilay atao hoe « salmonelle » ny ivelan’izy ireny. Mila diovina tsara izany ny akoran’atody alohan’ny ampiasana azy mba hisorohana ny mety ahazoana aretina avy aminy. Ankoatra izay dia mila atao potika tsara ho lasa vovony izy ireny vao hanina satria mety handratra ny any amin’ny taova fandevonan-kanina noho izy mafy sy mety haranitra.

Ahoana ary ny fomba fikarakarana ny akoran’atony sy ny fihinanana izany?

Tsotra ny fomba fikarakarana ny akoran’atody alohan’ny hinanana azy. Sasana madio tsara aloha ny atody alohan’ny hamakiana azy sy anesorana ny ao anatiny. Manarak’izay dia esorina ilay hoditra manify kely fotsifotsy miraikitra avy ao anatiny iny. Avy eo hamainina alohan’ny hitotoana azy ho potika lasa vovony tsara. Afaka potehina amin’ny « mixeur », fanoto sy laona, fonosina lamba dia totoina amin’ny zavatra mafy… Ny zava-dehibe dia atao lasa vovony tsara.
Mikasika ny fihinanana azy kosa dia ilay vovony iny no afafy eo ambonin’ny sakafo hanina. Azo atao anaty tsindrin-tsakafo, « yaourt », lasary, ranom-boankazo… ihany koa izy io. Tandremana kosa mba tsy atao mihoatra ny 1,5 hatramin’ny 3g isan’andro ny fihinanana izany. Ampiasaina 3 andro misesy ary mitsahatra mandritra ny 2 volana vao miverina mihinana indray. Tsy azo hoanina be loatra izy io noho izy mitahiry kalsioma be ka mety mampisy vato any anaty.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo