• Cours de change
  • 4850.74 AR
  • |
  • $4492.88 AR
Copyright Image : © Contretemps
Image
Madagasikara

Tantaran'i Madagasikara : Ny MDRM, fototry ny nahazoan'ny Malagasy Fahaleovantena

22/03/2024 08:48 © Moov

Isaky ny miresaka ny 29 marsa 1947 dia tsy maintsy voatonona ny hoe MDRM. Ireo ankizy hanala CEPE ihany no tena mahay tantara, fa rehefa miha-lehibe dia toa adinodino izany matetika.

MDRM, vondrona teto Antananarivo

Ny Mouvement démocratique de la rénovation malgache (MDRM) no tena niady ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Efa teo ambany ziogan’ny firenena frantsay mantsy ny firenena malagasy nanomboka ny taona 1896. Ny taona 1895 aza moa dia efa naharay taratasy avy amin'i Lafrantsa ny Mpanjaka Ranavalona III fa lasa zanatany frantsay tsotr'izao.
Ny volana Febroary 1946 no niorina ny MDRM. Antoko mahaleo tena teto afovoan-tany izy ka tsy nanavaka sokajin'olona. Telolahy no tena mpitarika, dia Joseph Raseta, Joseph Ravoahangy sy Jacques Rabemananjara. Tany amin'ny sisin-tany moa dia nisy ihany koa ny antoko niorina, entina anoherana ny frantsay, dia tsy inona izany fa ny PADESM, notarihin'i Philbert Tsiranana. Nisy kosa nefa ny tsy fitoviam-pijery teo amin'ireo vondrona roa. Ny PADESM mantsy dia somary mbola nitanila kely tamin'ny frantsay na nitaky ny fahaleovantena aza, fa ny MDRM kosa dia tena niady ho an'ny fahaleovantena tanteraka, sady tsy nanaiky fifanarahana tamin'ireo mpanjanaka.

MDRM, mpikomy tamin'ny 1947

Taorian’ny fahataperan’ny ady lehibe faharoa, izany hoe ny taona 1945, dia tsapa ho nisy fiovàna teo amin’ireo mpitondra mpanjanatany. Toa nikasa ny hifampiraharaha amin'ireo voazanaka ireo mpanjanaka. Nanomboka hita taratra izany, ny taona 1944, tamin’ny kabary nandritra ny « conférence de Brazzaville » nataon’i de Gaulle, dia nilaza ny tenany fa hohatsaraina ny fifandraisana eo amin’ny mpanjanaka sy ny voazanaka, ary hamahàna koa ny famoretana. Ny voazanaka izany dia mahazo mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Izany fanapahankevitra izany no nahazoan’ny teratany malagasy toerana 02 tao amin’ny Antenimieram-pirenena. Lany tamin’ny fifidianana tamin’ny Novambra 1945 Raseta sy Ravoahangy, tamin’ilay teny filamatra hoe « restauration de l’Indépendance de Madagascar ». Niady sahady tamin'ny hamerenana manontolo ny fahaleovantenan'i Madagasikara izy roalahy ireo. Nohamaivanin’ny fitondràna mpanjanaka koa moa ny fangatahan’ireo mpitaky, satria noheverin’izy ireo fa ireo vondron’olona Hova ihany no mitomany an’izany fahaleovan-tena izany.

Nanita-kevitra araka izany izy roalahy fa hanorina antoko, mba hampitomboana ny isan'ny mpikambana, hampivondronana hery matanjaka kokoa. Ny 11 Febroary 1946 no tafatsangana tao an-drenivohitr’i Frantsa ny MDRM Mouvement démocratique de la rénovation malgache, naorin’ireo solombavambahoaka roalahy, nampian’ilay « diaspora » Jacques Rabemanajara. Foto-kevitra telo no nijoroan'ny antoko dia ny fikatsahana ny fahaleovan-tena ka amerenana ny fiandrianan’i Madagasikara, ny fanarenana ara-toekarena sy sosialy, ary ny fanganana rafitra politika hahazoana fifandraisana amin’i Frantsa.

Ny 29 marsa 1947, tamin'ny 10 ora alina teo ho eo, nisy ireo mpikomy Malagasy nanafika ny tobin'ny miaramila frantsay tao Moramanga. Tany amin'ny faritra Atsinanana mantsy no tena nampijalian'ireo mpanjanaka ireo tantsaha mpamboly. Maro ireo voatery namatsy ara-tsakafo ny frantsay sady nanao asa an-terivozona tamin'ny fanamboaran-dalana. Tsara ny manamarika fa anisan'ireo mpitarika navitrika ihany koa i Monja Jaona, mpanorina ny fikambanana miafina Jiny.

MDRM, levona tamin'ny 1947 ihany

Ny 10 May 1946, nikabary tao amin’ny kianjan’Antanimena i Ravoahangy, nilaza fa misolo tena ny fanjakana frantsay. Nitanisa ireo fifandraisana teo amin’i Gasikara sy Frantsa tao anelanelan’ny taona 1863-1946. Napetraky ny MDRM tamin’i Jules Ranaivo kosa ny fisahanana ny sora-baventy (banderoles) maneho ny fangatahan’ny vahoaka Malagasy, anisany tamin’izany ny hoe « À bas la loi d’annexion du 6 août 1896 ». Raseta koa moa dia namaky resaka teo anivon’ny fivorian’ny parlemanta tany frantsa, ny 06 Aogositra 1947, fa tsy nohajain’ny frantsay ny voarakitra ao anatin’ny “protectorat du 1er octobre 1895” milaza fa i Madagasikara dia ampidirina ao amin’ny fikambanambe frantsay.
Tsy ela akory fa ny 10 may 1947 dia levona ny MDRM. Herintaona mahery kely ihany izany no nijoroan'ny antoko teto Madagasikara. Taorian’ny raharaha 29 marsa 1947 mantsy, izay nahafatesana teratany frantsay sy malagasy aman-jatony maro, dia nanasazy henjana ny mpanjanaka. Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny mpitondra kolonialy, fa foanana ireo antoko mpikomy, anisan'izany ny MDRM, ary samborina ny mpitarika sy lohandohan’ny mpisorona rehetra.
Vokatry ny fitroarany natosiky ny fitiavan-tanindrazana sy ny hetaheta hahazo ny fahaleovan-tena tanteraka, dia rava hatreo ny MDRM. Nidanadana ho an’ny PADESM, nanomboka teo, ny vavahadin’ny fifampiraharahàna tamin’ireo mpanjanaka, manoloana ny fitakiana ny fahaleovan-tena izay mbola niandàny tamin’ny frantsay. Noho izany indrindra, lasa filoham-pirenena voalohany teto Madagasikara i Phibert Tsiranana, izay nanorina ny PADESM, tamin'ny taona 1960.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo