• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Cnn
Image
Madagasikara

Passion Diamond Shoe : Kiraro mampirapiratra mitentina 76 miliara ariary

19/02/2024 12:06 © Moov

17.000.000 Dollars na 76.500.000.000 ariary no vidin'ity kiraro mampirapiratra ity. Passion Diamond Shoe no anarany. Ahitana volamena sy diamondra izy ity.

Ny 26 septambra 2018 no namoahan'ny marika Jada Dubai ny Passion Diamond Shoe. Niara-niasa tamin'ny Passion Jewelers io orinasa io ka izao nahavita kiraro lafovidy izao. 17 tapitrisa dolara no ivarotana io kiraro io, izay mitovy sanda amina kiraro lavaloha (escarpins) miisa 23 448 vidiana ao amin'ny orinasa malaza Christian Louboutin. Noho izany indrindra, anisan'ireo kiraro lafo indrindra manerantany ny Passion Jewelers. Miisa 236 be izao ny diamondra aminy, ary volamena tsara kalitao no mandrafitra azy.

Kiraro mihaja sady mateza

Tsy hatahorana ho simba mihitsy ny Passion Diamond Shoe. Na izany aza, noho ny vidiny izay lafo dia lafo, ireo "collectionneurs" na "passionnés" no tena liana amin'ny tolotry ny Jada Dubai. Tsy dia ho anaovana loatra araka izany no ividianana io kiraro io. Misy tokoa ireo mpanakarena ao Dubai no mividy izany ka atao "pièce de collection", haranty anaty tranofitaratra, ao amin'ny trano fandraisam-bahiny.

Hatreto aloha, tsy mbola nahenoana na nahitana mpanakanto na olo-malaza nanao ity kiraro ity tamina fety goavana.


Copyright Image : © Goldy Soles

Raha ny eto Madagasikara manokana, mbola vitsy ihany ireo vehivavy sahy mividy "chaussures de marque" izay tsy latsaky ny 250 000 ariary ny vidiny. Efa misy ireo mpivarotra manafatra izany avy any Lafrantsa na Etazonia. Misy ihany koa ireo mpanjifa no mividy entana amin'ny Site e-commerce toy ny Amazon. Misy ireo manana "contrefaçon" izay azo amin'ny vidiny 100 000 ariary eo ho eo.
Hatreto aloha, ireo kiraro vita sinoa no tena maro mpanjifa, satria sady tsara paozy no amin'ny vidiny mirary. 20 000 ariary no miakatra dia efa mahazo "escarpins" mihaja eny amin'ireo tsenabe eto an-drenivohitra. Tsy adino ny "friperie" izay ahitana kiraro mbola tsara, manomboka amin'ny 5 000 ariary. Mbola nofinofy hatreto ny hahatongavan'ny iray amin'ireo kiraro lafo indrindra maneran-tany eto Madagasikara.


Copyright Image : © Elle

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo