• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Iseeop
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra ampitomboina ny fahatokisan-tena amin’ny asa

08/02/2024 13:12 © Moov.Mg

Manampy betsaka amin’ny fahombiazana amin’ny asa ny fananana fahatokisan-tena. Azo atao tsara ny mamboly na mampitombo izany. Araho eto ary ireo torohevitra tsara ampiharina mba ananana fahatokisan-tena amin’ny asa.

Mifantoka hatrany amin’ny asa atao

Ny fahatokisan-tena amin’ny asa dia manomboka amin’ny fahatontosana an-tsakany sy an-davany ny asa iandraiketana mba ahazoana fahafaham-po. Mba ahatongavana amin’izany dia mila mifantoka tsara amin’ny asa atao. Hialana avokoa ireo zavatra mety hanelingelina ny saina, toy ny fosafosa ataon’ny mpiara-miasa, ny fifanenjehana misy eo anivon’ny toeram-piasana, ny fijerena finday… Rehefa ora fiasana dia ny asa no banjinina.

Araraotina ny ireo zavatra mampiavaka ny tena

Isan’ireo fomba mahomby indindra ampitomboina ny fahatokisan-tena amin’ny asa ny fahafantarana ireo zavatra mampiavaka ny tena sy ny mampiasa ireny eo amin’ny sehatry ny asa. Mety izany ny fahaizana mikirakira ny isa, ny fahafehezana ny serasera sy ny teny vahiny… Rehefa misongadina amin’ireo zavatra hay dia miakatra ho azy ny fahatokisan-tena amin’ny fanatanterahana ny asa. Ilaina kosa nefa ny misafidy asa mifanaraka ny fahaiza-manao ananana.

Manatsara ireo lesoka

Samy manana ny lesoka na ny zavatra tsy manavanana azy ny tsirairay, eny na eo amin’ny sehatry ny asa aza. Raha toa ka mitarika tsy fahatokisan-tena amin’ny asa izany lesoka izany dia mila miezaka hatrany mikaroka ny fomba hanatsarana azy ireny. Tsy voatery ho voafehy anatin’ny fotoana fohy avokoa izy ireny. Ny fiezahana hanatanteraka izany kosa nefa dia efa mitarika fahatokisan-tena sy mampazoto amin’ny asa.

Ankasitrahana ny fahombiazana rehetra

Dinihina tsirairay anatin’ny filaminanana ireo zava-bita rehetra nandritra ny tontolo andro. Jerena avokoa ireo asa mila natao sy vita soamantsara sy ireo tsy vita. Raisina ho fahombiazana ireo vita ary ankasitrahana ny tena nahavita izany. Tsy atao manimba saina kosa nefa ireo tsy vita fa entina ampitomboina ny ezaka atao ny ampitso indray. Raisina amin’ny lafin-tsara hatrany ny fanatanterahana ny asa sy ny ezaka vita mba hampitomboina ny fahatokisan-tena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo