• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Avenir Et Formation
Image
Asa & Fianarana

Ahoana ny hanajan’ny hafa anao ao amin’ny toeram-piasana ?

24/01/2024 15:48 © Moov.Mg

Manan-danja lehibe eo amin’ny tontolon’ny asa ny fifanajana. Mazoto miasa ary mamokatra kokoa ny mpiasa rehefa mipetraka izany fanajana izany. Ahoana ary ny fomba atao hanajan’ny hafa anao ao amin’ny toeram-piasana ?

Aoka ho matihanina sy matotra rehefa miasa

Hajain’ny olona kokoa ianao rehefa mampiseho ny maha matihanina sy matotra anao eo amin’ny sehatry ny asa. Mba ahatongavana amin’izany dia mila tonga ara-potoana isan’andro, manao akanjo mendrika ary manaja ny lalana ao amin’ny orinasa. Aseho amin’ny fihetsika rehetra ataona fa olona manaja ny asanao ianao.

Aoka mba ahafehy ny asa andraiketanao

Ataovy araka ny tokony ho izy ny asa atao. Asehoy ny mpiara-miasa sy ny lehibenao fa voafehinao tsara avokoa ny zavatra ampandraiketina anao. Aza misalasala mianatra zava-baovao sy mampitombo ny fahaiza-manao. Aza avela misy zavatra tsy hay na tsy voafehy ho afaka anakana ny fandrosoanao amin’ny asanao.

Hajao ny hafa

Mba hanajan’ny hafa anao dia mahaiza manaja ny hafa. Tsy ny lehibe ao amin’ny toeram-piasana ihany fa ny olona rehetra mifanerasera aminao. Anisan’izany ny mpiara-miasa sy ny mpanjifa. Mahaiza mihaino rehefa miresaka amin’ny hafa ary fadio ny miavona na manambany olona, n’inon’inona asany.

Aoka ho olona azo atokisana sy hitokisana

Ny olona azo atokisana sy hitokisana dia mora hajain’ny hafa ao amin’ny toeram-piasana. Tazomy hatrany ny teny na ny toky nomenao ny hafa mikasika ny fanatanterahana asa. Raha misy zavatra nolazainao hoe ho ataonao dia aza mivadika fa ataovy tokoa. Tandremo ihany koa ny manaratsy na mifosa olona fa mety ho very ny fanajan’ny hafa anao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo