• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Bee Secure
Image
Asa & Fianarana

« Jeux vidéo » : ny fiantraikany eo amin’ny fianaran’ny ankizy

22/01/2024 13:53 © Moov.Mg

Fahenontsika matetika ny hoe manimba ny sain’ny ankizy ary mampihemotra amin’ny fianarana ny filalaovana « jeux vidéo » diso tafahoatra. Maro nefa ankehitriny ireo mpikaroka no milaza fa mety manampy amin’ny fianaran’ny ankizy ireny karazan-dalao ireny. Ho resahana eto ireo rehetra tsara fantratra mikasik’izany.

Ireo vokadratsin’ny « jeux vidéo » eo amin’ny fianaran’ny ankizy

Maro ankehitriny ireo fitaovana ahafahan’ny ankizy milalao « jeux vidéo » raha tsy hitanisa afa-tsy ny finday, « tablette » sy ny « consoles » irery ihany. Raha toa ka tsy fehezina ny fotoana hilalaovan’izy ireo izany dia mety hitarika voka-dratsy ho azy ireo izany, indrindra eo amin’ny lafiny fianarana. Ny fanaovana « jeux vidéo » diso tafahoatra dia miteraka :
-Fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo »
Miteraka fiankinan-doha eo amin’ny ankizy ny fanaovana « jeux vidéo » diso tafahoatra. Izany hoe lasa ny filalaovana izany irery ihany no mibahana ny sainy ka ataony ankilabao ny fianarana. Tsy mahavita manokana fotoana hianarana lesona na anaovana enti-mody intsony rehefa ao an-trano fa lany amin’ny fanaovana « jeux vidéo » ny fotoana rehetra.
-Fihenan’ny fifantohana
Rehefa variana milalao « jeux vidéo » foana ny ankizy dia lasa mihena ny fifantohany any am-pianarana. Lasa kamo ny sainy hianatra sy handrato fianarana satria mibahana be ao an-tsainy ilay lalao. Lasa tsy mahaliana azy intsony ireo taranja any am-pianarana. Izany dia mampidina sy maharatsy ny vokam-pianarany rehefa amin’ny fanadinana.

Ireo mety ho vokatsoan’ny « jeux vidéo »

Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana any ivelany dia misy lafin-tsarany eo amin’ny fianaran’ny ankizy ny « jeux vidéo » rehefa lalaovina amin’ny antonony. Izany hoe, tsy mihoatra ny indray mandeha na in-droa isam-bolana ihany no milalao izany. Anisan’ireo vokatsoa entin’ny « jeux vidéo » ny :
-Fampivelarana ny sain’ny ankizy
Mampivelatra ny sain’ny ankizy ny filaovana « jeux vidéo » amin’ny antonony. Mandranitra ny sain’izy ireo ny fampiasaina paikady maro samihafa ahafahana mahavita ireo dingana samihafa amin’ny lalao ataony. Lasa mahavita mandinika sy mieritreritra tsara izy ireo vao mandray fanapahan-kevitra. Miankina amin’ny karazana lalao ataon’ilay ankizy kosa nefa izany.
-Fanampiana amin’ny fianarana
Misy ireo ankizy manana fahasahiranana amin’ny fianarana. Manampy betsaka ireo ankizy « dyslexiques » na manana fahasarotana amin’ny famakiana teny ohatra ny fanaovana « jeux vidéo ». Toy izany ihany koa irey manana olana « dyscalculie » na sahirana amin’ny fanaovana kajy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo