• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Le Conseil De L'Europe
Image
Sexualité & Mariage

Ny zo sy adidin’ny ray aman-dreny nisara-panambadiana amin’ny zanaka

01/06/2023 11:23 © Moov.Mg

Ankalazaina isan-taona ny 01 jona ny andro maneran-tany ho an’ny ray aman-dreny. Izany dia entina hahatsiarovana sy ankaherezana azy ireo amin’ny fikelezan’aina ataony amin’ny zanany. Maro ankehitriny ireo ray aman-dreny nisara-panambadiana no tsy mahafantatra ny zo sy ny adidiny amin’ny fitaizana ny zanany. Ampahafantarina eto ary ireo zava-dehibe mila fantarina mahakasika izany.

Ray aman-dreny nisara-panambadiana : mbola manana fahefana feno amin’ny zanaka

Ny ray aman-dreny roa tonta, na manambady ara-dalàna na tsia, dia manana fahefana feno amin’ny zanany tsy ampy taona na koa ilay antsoina hoe « autorité parentale ». Voarakitra anatin’izany fahefan’ny ray aman-dreny izany ny zo sy adidy amin’ny zanaka sy ny fanapahan-kevitra aterak’izany.
Adidin’ny ray aman-dreny ny fanomezana trano fonenana, sakafo, fitafiana, fanabeazana… ny zanaka. Tafiditra anatin’ny zon’ny ray aman-dreny kosa ny mifidy ny fivavahan’ny zanany, ny fomba fanabeazana azy ireo, ny fifehezana ny fihetsiky ny zaza tsy ampy taona, ny mitantana ny fananany… Mbola mitoetra hatrany izany fahefana eo amin’ny zanaka izany na misara-panambadiana aza ny ray aman-dreny.

Manana zo sy adidy amin’ny zanaka mitovy ny ray aman-dreny roa tonta nisara-panambadiana

Araky ny lalàna n° 2007# 022 andininy faha 75 mifehy ny fanambadiana sy ny fiankohonana « Ny ray aman-dreny tsirairay dia tsy maintsy mandray anjara amin'ny fikolokoloana ny zanaka iraisan'izy ireo mifanaraka amin'ny fidiram-bolany ». Izany hoe mbola manana zo sy adidy amin’ny fikarakarana, fanabeazana sy fampitaovana ny zanaka ny ray aman-dreny nisara-panambadiana.
Ny ray aman-dreny mahazo ny fitaizana ny zaza dia manatanteraka ny adidiny amin’ny fanomezana izay ilain’ny zaza isan’andro. Ny ray aman-dreny iray hafa kosa dia manohana ara-bola amin’ny fiveloman’ny ankizy na « pension alimentaire ». Ity farany moa dia voafaritra araka ny taonan’ny ankizy, ny fomba fiainany teo aloha ary ny fidiram-bolan’ilay ray na reny mandoa ilay pension alimentaire.
Azo enjehina araky ny lalàna ny ray aman-dreny tsy manaja ny adidiny amin’ny zanaka. Voasokajy ho fandikan-dalàna ary raisina ho toy ny fandaozana fianakaviana ny tsy fandoavana ny pension alimentaire. Azo toriana ary maha voasazy ny tsy fandoavana izany nandritra ny roa volana nisesy.

Ny dingana arahina amin’ny fandaminana ny fitazomana ny zaza eo amin‘ny ray aman-dreny nisaram-panambadiana

Raha nisara-panambadiana tsy nisy romoromo ny mpivady dia afaka manapa-kevitra miaraka amin’ny fomba hitazomana ny ankizy. Ifanarahan’ny roa tonta ny toerana hipetrahan’ny ankizy, ny zo hitsidika azy ireo ary ny fandoavana ny « pension alimentaire ». Mila manao fangatahana iombonana na “requête conjointe” any amin’ny mpitsara miadidy ny fianakaviana hanamafisana ny fifanarahana natao.
Raha toa sendra fisaraham-panambadiana isian-dromoromo dia ny mpitsara no mamaritra ny lamina rehetra mikasika ny fitazomana ny zaza. Mila maka mpisolovava ny ray na reny maniry handefa fangatahana eny anivon’ny mpitsara ny raharaham-pianakaviana. Azo atao ihany koa ny mangataka fanovana ny lamina momba ny fitazomana ny zaza ho an’ireo mpivady efa nisara-panambadiana. Manao fangatahana vaovao mba hanamafisana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo