• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Oppq
Image
Sexualité & Mariage

Mitady zaza : ireo fiomanana tokony hatao

23/03/2023 10:55 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo vehivavy manana olana amin’ny fitadiavana zaza. Tsy mifidy taona izany olana izany ary matetika miteraka fikorontanana ao amin’ny tokantrano. Efa misy eto amintsika ireo toeram-pitsaboana manampy ireo vehivavy mitady zaza. Misy ihany koa ireo fiomanana afaka hatao mba hahamora ny fahazoana zaza. Ndeha ary ho resahina izany.

Mitady zaza : inona no antony mahasarotra na manakana ny fitoeran-jaza ?

Ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana no antony lehibe mahasarotra na manakana ny fitoeran-jaza. Mety ho momba avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy. Raha ny lehilaly manokana dia ny tsy fahatomombanana eo anivon’ny fitaovam-pananahana na eo amin’ny famokarana ny ranon’aina no mety ho anton’izany. Ho an’ny vehivavy dia ny trompe bouchée, ny tsy fisiana na ny fikorontanan’ny fotoana maha lonaka sy ny endométriose no anisan’ny olana ara-pahasalamana mahasarotra ny fitoeran-jaza. Misy ihany koa anefa ireo antony hafa mahasarotra ny fitoeran-jaza eo amin’ny vehivavy, toy ny hatavezana loatra, ny kibo mangatsiaka, ny fisian’ny rarintsaina, ny taona efa mandroso…

Inona ny fiomanana tokony ataon’ny vehivavy mitady zaza ?

Tsy ny vehivavy rehetra no sarotra vao bevohoka. Misy ireo lazaina hoe « mafana kibo » izay tena mora mitoe-jaza. Ho an’ireo izay mitady zaza efa ela nefa tsy mety mahazo dia ilaina tokoa ny fiomanana mba hahamora ny fitoeran-jaza. Ny fitoniana sy ny fandaminantsaina no hanombohana izany. Miteraka fikorontanan’ny fotoana mamahalonaka (ovulation) ny vehivavy tokoa mantsy ny rarintsaina. Ilaina ihany koa ny manao fanatanjahantena mba hanala ny tavy, fa indrindra ihany koa mba hampafana ny tranon-jaza. Mila lanjalanjaina ihany anefa ny fanatanjahantena atao, izany hoe tsy tokony manao vizaka be loatra. Tsara ihany koa ny maka fotoana hakana aina ary tsy tokony miari-tory. Maro ireo efa nahita vokatsoa amin’ny fisotroana dite sakamalao, eritreretina ho manafana kibo sy maha mora ny fitoeran-jaza.
Tsy tokony atao ambanin-javatra ny ihany koa ny fanantonana mpitsabo raha manana olana amin’ny fitadiavana zaza. Mila jerena ary tsaboina ny mety antony ara-pahasalamana mahasarotra ny fitoeran-jaza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo