• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Rencontreone
Image
Sexualité & Mariage

Sexfriends : Fanararaotana, rendrarendra sa fifanarahana mahasoa ?

14/03/2023 16:16 © Moov.Mg

Manaraka ny fivoarana any ivelany ny eto Madagasikara, na dia mifanohitra amin'ny soatoavina malagasy aza izany matetika. Eny fa na dia tsy resahina eny amin'ny fiaraha-monina aza, misy ireo mankasitraka ny "Sexfriends". Raha adika tsotsotra io voambolana io dia milaza ny firaisana ara-nofo eo amin'ny mpinamana.

Famaliana ny filàna ara-nofo

Tsy afa-misaraka amin'ny olombelona ny filàna ara-nofo. Maro ny efa ao anatin'ny sehatry ny fanambadiana no mbola roboka mitady olon-kafa ivelan'ny tokantrano. Tsy vitsy amin'izy ireo no milaza fa tsy entina anapotehana tokantrano akory ireo "plan sexe" fa famenoana ny banga. Misy amin'izany no tsy misalasala miaraka amin'ireo namana ihany, mba tsy hisian'ny olana. Ny fifanarahana amin'izany moa dia ny fiarahana manatanteraka "fantasmes" izay tsy vitan'ny vady ao an-trano. Ny roa tonta, araka izany, dia samy mahafantatra fa manambady ny andaniny na ny ankilany. Tsy misy resaka matotra fa rehefa samy mahazo izay tadiaviny dia samy mamonjy ny tokantranony. Tsy misy fifanarahana ara-bola ihany koa. Takona tanteraka ihany koa ny resaka fitiavana satria mijanona ho mpinamana ireo olon-droa.
Misy ihany koa ireo mbola mitady olona manaiky "sexfriends". Izany hoe olona manaiky fiarahana miafina sady tsy misy tambiny. Ireo tsy mahita moa dia manjifa mpivaro-tena iray ka miverina matetika mba hahazoana fihenam-bidy.

Fifanarahana mety hiafara amin'ny fahapotehana

Na dia mifanaraka tsara aza ireo voakasika fa fifanomezana fahafinaretana ihany no resaka, dia mety hisy fivadihan-javatra na ho ela na ho aingana. Adika ho fampirafesana foana mantsy ny miaraka amin'olon-kafa ankoatra ny vady na dia misy fanazavana maro aza. Raha mivadika ny iray dia simba tanteraka ny fifandraisana, ary mety ho tapaka mihitsy aza ny fihavanana. Tsy misy takona izay tsy ho hita mantsy. Mety hiafara amin'ny fisaraham-panambadiana ihany koa, na ho an'ny andaniny na ho an'ny ankilany. Tsy maintsy hisy mantsy ny banga ao an-tokantrano noho ny fandaniana amin'ny fanofana tranondopy sy ny fisakafoanana amin'ny toerana mihaja. Tsy adino ihany koa ny fivezivezena.
Mamotika tanora maro ny "sexfriends" satria ny filàna ara-nofo no mibaiko ny fiainana. Resaka sisa ny atao hoe "fitiavan'olon-droa", ary zary lasa fombafomba sisa ny fanambadiana. Tsara raha mitandrina ny tanora, indrindra moa fa ny olon-dehibe izay te ho fitaratra ho an'ny zanaka amam-para.

Fakam-panahy mahalavo

Tahotra ny fiaraha-monina sisa no mampijoro tokantrano maro. Mbola mahamenatra mantsy izany misara-bady. Ny ankizy ihany koa etsy an-daniny mila tsinjovina. Mazàna nefa, sarotra ialana ny fitadiavana vehivavy na lehilahy any ivelany. Miha-maro isika Malagasy no te hanana tokatrano milamina sy hahavanona zanaka nefa tsy mety miala amin'ireo fanao mahamenatra.
Tsara kokoa raha mifampiresaka ny mpivady mba hifanome fahafinaretana araka izay tadiaviny avy. Ny fanafenana ireo "fantasmes" tiana tanterahina mantsy dia mitarika fisainan-dratsy hijery any an-kafa.
Na dia mbola tsy eken'ny fiaraha-monina aza ny fisaraham-panambadiana, voaenjika sy voahilika ireo misafidy ny hanaja ny vadiny na ny olon-tiany. Voakasik'izany daholo na ny lehilahy na ny vehivavy. Raha aravina, misy ireo manaiky sady mamporisika ny fampirafesana, rehefa mahay manafina tsara sy tsy mandrava tokantrano fotsiny.

* Raha te haneho hevitra ianao, manokafa "sujet" ao amin'ny https://moov.mg/forum/

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo