• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Bee Organisée
Image
Sexualité & Mariage

Tokantrano madio sy milamina: ireo fikafika mahomby

17/02/2023 10:46 © Moov.Mg

Mahasorena ny mahita trano maloto sy mikorontana rehefa ianao reraka avy miasa iny. Ireto ary ireo fomba mahomby handaminana ny ao an-tokantrano mba hialana amin’ireo korontana manimba maso.

Mampiasa fanaka fitoerana entana

Ilaina ny fampiasana fanaka fitoerana entana isaky ny efitrano : lakozia, efitra fatoriana, efitra fandraisam-bahiny, trano fidiovana. Manampy tokoa izany isorohana ireo entana mipetrapetraka etsy sy eroa, toy ny lamba, ny boky, ny poketra, ny kiraro… Rehefa tonga ny fotoana fandaminana trano, apetraka amin’ny fitoerana voatokana ho azy tsirairay avy ireo fitaovana ao an-trano. Manarak’izany, mila mizatra mamerina ny zavatra amin’ny toerany ny tsirairay mba hialana amin’ny korontana.

Esorina ireo zavatra simba na tsy ilaina

Fombantsika malagasy ny mitahiry entana simba na efa tsy ilaina intsony. Fahazarana mila ialana izany raha te hanana trano madio sy milamina. Manokana fotoana iray hanivanana ireo akanjo, kahie, fitaovana an-dakozia, tavoahangy… mibahana toerana ao an-trano. Mety misy ihany koa fanaka, fitaovana (fahitalavitra, vatafapangatsiahana, sns) efa simba. Mila esorina tao an-trano izy ireny. Tsy voatery ariana fa afaka amidy amin’ireo olona mpandray entana tsy miasa intsony.

Manokana fotoana andaminana ny trano

Mazava ho azy fa mila alamina ny trano mba hadio sy tsy hikorontana. Mila manokana 15 mn isa-maraina ireo mpianaka mivoaka ny trano isandro. Mandritra io fotoana io no andaminana ny fandriana, ny trano fidiovana, ny fanasana lovia sy ireo zavatra madinika miteraka fikorontanana ao an-tokantrano. Ny famafana sy fanasana ny trano, ny fandaminana ny fitoeran-damba, ny fanoloana ny rideaux sy ireo fanadiovana lehibe dia atao isaky ny faran’ny erinandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo