• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Tripadvisor
Image
Madagasikara

Sakafo nahandro gasy : Trondro sy voanjobory

14/01/2023 06:53 © Moov.Mg

Sakafon'ny mpianakavy ho an'ny alahady : Trondro sy voanjobory. Araho ary ny fomba fikarakarana izany. Mazotoa homana

Anio sabotsy dia efa omano sahady ny sakafo ho atao rahampitso alahady. Mandehana miantsena vao maraina anio mba hahatratra ireo entana mbola tena « frais » tsara. Ho amin’ny rahampitso alahady dia Trondro sy voanjobory indray no laoka atolotray ho anao. Araho ary ny fikarakarana ny sakafo izay natao ho an’olona dimy.

Ireo zavatra ilaina

Trondro tilapia : 2 kg
Voanjobory : 3 kapoaka
Tongolobe : 5
Tongologasy : vodiny 2
Sira : 2 sotro fihinana
Menaka : antsaky ny fahefany

Fikarakarana

Antaingeno mialoha ambony afo ny voanjobory
Rehefa voadio tsara ny trondro dia endaso ho somary mendy (tsy atao may loatra)
Manaova saosy Tongolo sy tongolo gasy, tapohy rano dia avelao hiketrika
Atambaro ireo nahandro ireo avy eo, tapohy rano ary asio sira rehefa akaiky ho masaka.
Tsara aroso mafana foana.

Mirary anao hazoto homana ny ekipan’ny Moov.mg tompoko !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo