Vatobe Ambatomanga : Lasa Harembako-pirenena eto Madagasikara
Voasoratra amin'ny lisitry ny Harembako-pirenena eto Madagasikara ny Vatobe eny Ambatomanga, manomboka androany alakamisy 20 novambra 2025
Tantaran’ny Vatobe Ambatomanga, araka ny fikarohan'i Lysan Rabenjamina
Ity vatobe ity no maha-Ambatomanga an'Ambatomanga. Fasan-dRavalontsalama (Ravalo), zaodahin'Andrianampoinimerina sy Rafanjava vadiny ary ireo taranany io tazana mitiriritirina eo ambony io. Toa efa nafindra tao ihany koa ny taolambolon-dRasoataolana Rain-dRavalo. Anisan'ireo tarana-dRavalontsalama milevina ao ny Printsessy Razafindrazaka (zafiny).
Fa teo akaikin'ny Fasana teo koa no nisy ny Fitahitrizana ny sampy Rahodibato taloha. Tao ambadika atsinanan'Ambatomanga kosa no nandefonana an-dRatefinanahary vadin-dRabodosahondra, tamin'ny niakarany teto Imerina taorian'ny niambohoan-dRadama I.
Ambatomanga no natao renivohitr'i Vakinidiana fony faha-tany-gasy. Toerana naresaka hatramin'ny ela Ambatomanga noho izy toeranà fandavolan'ireo olona avy any Atsinanana hikatra eto Imerina. Andrianampoinimerina dia nitsangatsangana sy nitoetra matetika teny.
Araka ny tantara voasoratra anaty Sorabe dia ao Ambatomanga no nifanenàn' Andrianampoinimerina tamin'ireo Anakara vitsivitsy, ka naminian'ireto farany ny amin'ny hihitaran'ny Fanjakany manerana an'Imerina manontolo.
Tara kaloana hono (hoy ny ilay voalozan'io Sorabe io), dia tsaroan'ny Mpanjaka io faminanian'ny Anakara io ka izay no nahatonga azy hanafatra ireo Mpanolotsaina Antemoro Anakara.
Tamin'ny nahatongavan'ny Frantsay, nangotraka ny fanoharana'ny Menalamba tao, ka antony nananganana Fitobia-miaramila izay nahitana miaramila frantsay, senegaly ary aljeriana. Maro ireo Menalamba izay notifirina tao antsinanan-tanàna.
Ambatomanga, toeram-pitsangatsanganana sy fanatanjahantena
Mbola marobe ireo teratany Malagasy sy vahiny mitsangatsangana eny Ambatomanga. Tsy maintsy mitondra vokatra avy amin'ny ronono moa rehefa mitsidika eny, indrindra ny fromazy. Mbola malaza ho mpiompy omby ireo mponina ao an-toerana, ka maro ireo mpisehatra amin'ny fanodinana vokatra avy amin'ny ronono, ka mamatsy ny tsena eto an-drenivohitra mihitsy.
Amin'ny ankapobeny, ireo mpankafy "randonnée" no tena miakatra eny amin'ny vatobe sy ny toerana avo manodidina. Sady mizahatany ireo mpandray anjara no manatanja-tena. Eo ihany koa ny fankafizana ny tontolo manodidina rehefa tafakatra eny ambony eny. Mahaliana ny mpitsidika ihany koa ny maka sary ireo tranogasy, mariky ny maha-tontolo ambanivohitra voatahiry an'Ambatomanga.



