• Cours de change
  • 5139.51 AR
  • |
  • $4435.68 AR
Copyright Image : © Pleine-Vie
Image
Fahalalana Ankapobeny

Olona miala aina : ny santionany amin’ireo fambara mety hiseho

18/08/2025 15:27 © Moov.Mg

Atao hoe miala aina ny olona iray rehefa akaiky ho faty. Izany hoe izy io no fe-potoana farany mialoha ny hafatesana. Matetika izy io dia ialohavan'ny dingana fitotongana tsikelikelin’ny vatana. Ireo fambara miseho manditra izany dia tsy fambarana fanaintainana fa fizotra ara-boajanaharin’ny fahataperan’ny aina. Marihana fa tsy voatery mitovy ny fomba fialana aina eo amin’ny olona tsirairay. Anisan’ireo fambara fahita kosa nefa ireo resahana manaraka ireto.

Fiovana ara-batana fahita eo amin’ny olona miala aina

Mihamiadana tsikelikeky ny fiasan’ny vatana eo amin’ny olona eo am-pialana aina. Anisan’ireo fiovana ara-batana mety ho hita ny hoe :
-Miena ny fahazotoan-komana sy ny hetaheta. Mety mandà hisakafo na hisotro rano ilay olona. Tsy mila hery intsony ny vatany. Tsy tokony terena izy arak’izany fa afaka lemandemana amin’ny « éponge » na « glaçons » ny molony mba hampahazo aina kely azy.
-Miova ny fomba fiainy (respirations). Mety lasa miovaova izany ary misy fotoana izy mety mitsahatra tsy miaina tsindraindray. Mety hanao ilay atao hoe « râle de la mort » ihany koa izy. Izany hoe misy maneno ao amin’ny tenda na ny tratrany vokatry ny fiangonana tsiranoka ao amin’ny taovam-pisefoany. Matetika dia manelingelina na mampitaintaina ny olona akaiky azy io feo io, nefa kosa tsy marary ilay olona miala aina izy io amin’ny ankapobeny.
-Miova ny hafanan’ny vatana. Mety ho lasa mangatsiaka sy mangamangana ny tanana sy ny tongony. Ny vatana ihany koa mety hiovaova ny hafanany, mbetika mamay (manavy), mbetika mangatsiaka.
-Vizaka be sy matory be. Lasa matory be sy sarotra fohazina ilay olona. Mety tsy ho afaka hamindra na koa hitodika irery intsony izy satria vizaka be ny vatany.
-Tsy mahatana ny pipy sy ny kakà intsony. Rehefa akaiky ho faty ny olona iray dia mety tsy hahavita hibaiko ny fiasan’ny tsinainy sy ny « voies urinaires » intsony ny vatany.

Fiovana ara-tsaina sy eo amin’ny fihetseham-po

Mandritra ny fe-potoana fialana aina dia mety hisy fiovana miseho ihany koa eo amin’ny lafiny ara-tsaina sy toe-pon’ilay olona. Anisan’ny mety hitranga ny hoe :
-« Confusion et désorientation ». Tsy mahay mamantatra olona sy toerana intsony ilay olona. Mety hisy « hallucinations » ho hitany na reny, hiresaka amin’ny olona efa maty na koa hahita zavatra nitranga taloha izy mandritra izany.
-Miala amin’ny fiarahamonina. Mety ho lasa tsy tia mifanerasera amin’ny olona intsony izy, te hitoka-monina ary tsy hiraharaha ireo « activités » na resaka miaraka amin’ny hafa intsony. Fomba iray hanomanany ny fandaozany ny tany izany.
-Mitony sy mihamazava ny endrika. Rehefa akaiky ho faty ny olona miala-aina dia lasa toa mitony sy mihiratra ny endriny.

Lire la suite

Articles Similaires