Mankasitraka indrindra amin'ny ny torohevitra. Efa nandeha mpitsabo foana dia nahazo fanafody fa afaka kely ilay marokoroko sy mangidihidy amin'ny vatana dia miverina vao ajanona ny fanafody. Hiezaka hanova fomba fianana arak'ireo voalazanao ireo.
Miarahaba,
Maro ireo olona fantatro mpanefoefo ary manana asa fitadiavana miroborobo nefa dia tsy manana diplaoma. Zara ny sasany raha mba manana bac. Etsy andaniny nefa maro ireo izay manana diplaoma bac+2 bac+3 nefa dia tena hoe mitrongy vao homana. Zara raha mahavita sakafo, écolage sy jirama ny karama dia lany. Lasa ny saiko hoe tena mahatafita ve ny diplaoma?
Salama daholo,
Efa hatraminy mbola kely izaho no narary aty dia misy ireny tasy marokoroko sy mangidihidy be ireny ny vatako, indrindra amin'ny fe, ranjo sy lamosina. Efa nandeha dokotera foana hatramin'izay fa tsy nety sitrana tanteraka mihintsy. Izay no anontaniako eto hoe sao misy mahafantatra fanafody natoraly na tambavy mandaitra amin'ny aretin'aty? Misaotra an'izay mamaly.