image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 3

Miarahaba,

Maro ireo olona fantatro mpanefoefo ary manana asa fitadiavana miroborobo nefa dia tsy manana diplaoma. Zara ny sasany raha mba manana bac. Etsy andaniny nefa maro ireo izay manana diplaoma bac+2 bac+3 nefa dia tena hoe mitrongy vao homana. Zara raha mahavita sakafo, écolage sy jirama ny karama dia lany. Lasa ny saiko hoe tena mahatafita ve ny diplaoma?


Tsotra be eh,
Ny diplaoma tsy garantie oe ho tafita fa manampy anao ho tafita, na manamora ny fahatafitanao. Ary raha tsy manana diplaoma koa enao tsy midika izany oe very mandrakizay enao, fa kosa mety ho teritery ilay lalana ivoahana @ fahantrana. Ny ketrika ihany no mahatafita be sy maha mpanefohefo fa ny dipaloma, vava, hafetsena, fahaizana, lova sns .... fitaovana fotsiny ihany. De mazava ho azy , raha sady tsy vavany enao no tsy fetsy no mbola tsy diplaoma dia tsy hitako oe anao inona.
Raha misy olona 100 manana diplaoma, mety oe ny 50 sahirana, ny 40 antonony ny fiainana, ny 9 manana mihaotra ny ampy ary iray no mety oe lasa mpanefohefo be
Fa raha misy olona 1000 kosa tsy manana diplaoma, mety oe 950 sahirana, ny 40 antonony ny fiainana, ny 9 manana mihaotra ny ampy ary iray no mety oe lasa mpanefohefo be
Ka raha mihevitra enao oe ianao ve ilay iray ao anatin ny arivo ho tafita be dia tsy misy olana. Mijery eny @fiaraha monina fotsiny anie, dia manisa eh. Dia aza ireo tafita ihany no isaina fa isao daholo na ny sahirana aza.
Isao daholo na ny dokera, ny mpitarika posy, chaufera, ny patron an omby, ny transportera, ny mpibizina lavanila, ny tantsaha, ny mpanasa lamba, ny expert comptable, ny iformatisianina, ny mpiasan call center, mpivarotra fripy, mpanao epicerie, mpanjono, ny makorelina, sns .... .Dia ho hitanao fa betsaka kokoa ny taha ny olona tsy manana diplaoma nefa sahirana hoarina @ ireo manana diplaoma. Ary betsaka kokoa ny mananao diplaoma tafita hoarina @ ireo tsy manana. Ary ny tena zava dehibe dia oe maharitra ilay harena


Tena samihafa sy samy hafa ny olona.
Samy manana ny manavanan'azy ary misy olona mahay mitrandraka izay manavanan'azy izay. Misy olona mahay mikarataka. Misy olona manambola noho ny fianarana no ratoviny fa tsy mahay mi bizina sns....
Samy manana ny anjarany ny tsirairay fa na izany aza, hafa foana ny olona nianatra.