Miarahaba daholo,Toro-hevitra no angatahiko amintsika ato, ary ho ezahiko afohezina ny tantara.Tamin'ny reniko niteraka ahy dia voalaza fa pčre inconnu, tsy mba niresaka tamiko mihitsy io reniko io ny momba ny raiko, nefa fantatro fa natao mariage sns izy ary misy sariny any.Taty aoriana moa dia somary mba nitady iany aho ary nisy fotoana nahitako ny copie any mamako ary misoratra ao ny anarany vadiny (tsy haiko aloha na io ny raiko na tsia) sy ny daty nanaovana ny mariage fa kosa tsy voasoratra ao na divorcée izy na tsia.Nanomboka nijery réseaux sociaux sns ary aho ka dia hitako tao ny anaran'ilay rangahy sy ny fianakaviana, somary faly sahirana ihany aho satria itako ny momba ilay olona notadiaviko nefa koa malahelo satria dia maty vao haingana ilay rangahy (supposé hoe raiko).Ho anareo mamaky,1- possible ve ny ahitana ny taona nisarahindry zareo? 2- ho resahiko ve ireo fianakaviany hoe mety ho ny raiko ilay rangahy maty io?3- Raha "oui" ny valin'ny fanontaniana numéro 2, atao amin'ny fomba ahoana? Aty amiko ny copie an"ny reniko misy ny anaran'ilay rangahy sy ny taona nisoratandry zareo.Fanamarihana: io reniko io dia tsy hiresaka amiko mihitsy ny momba ilay atao hoe ray satria efa nisy fotoana aho nanontany dia tsotra be ny valiny hoe: "atao inona moa izany hoy izy"Mankasitraka ho antsika mamaly.