Salama daholo, ity misy tranga kely iray izay mahalina ahy raha mba resahina eto sy hakana vaha olana, misy tany iray misoratra amin'ny rangahy iray, dia novarotany ny apahany amin'io tany io, marihana fa nièce' ny ihany no namarotany ny tany fa tsy mbola vita ny acte de vente ary mbola tsy lasa manontolo ny vola, dia efa nanangana trano be ilay nièce, mbola naka apahana tany mihotra koa ilay nièce, tezitra ilay mpivarotra fa hoe tany mbola tsy lasa vola no anorenana trano plus tsy nisy acte de vente, dia nesorina ilay tany mihotra, ankehitriny mitory any amin'ny vaditany(huissier) ilay nièce hoe voatohitohina ny zoan'ny fa tsy misy lalana izy,ny fanotaniko hoe ahalalana avy aiza no ahafahany mitory amin'ny huissier nefa tsy manana taratasy preuve izy we azy ny tany? sa ve possible mahita lalana ambany ny tany izy? ilay huissier manery ilay rangahy amerina amin'ny laony ny tany ao anatin'ny 8 andro? ilay ranga nivarotra miteny hoe asehoy ny preuve fa azy ny tany, iza no manana ny rariny? misaotra saady amin'ny famaliana