Fitrandrahan’ny Base Toliara : Ambany ny taratra « radioactif », hoy ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany
Mafanafana ny toe-draharaha any Toliara any, tao anatin’ny andro vitsy izao, noho ny fisian’ny hetsika manohitra ny tetikasa fitrandrahana fasimainty hataon’ny orinasa Base Toliara. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia namoaka fanambarana, izay miantso fitoniana ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany.
Fampiroboroboana ny fitrandrahana
Tafiditra ao anaty Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana goavana ny harena an-kibon’ny tany, toy ny Tetikasa Base Toliara, hoy ny fanambarana. Eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny, maneran-tany, dia fotoana mety izao imasoana amin’ny fampanjariana ho harena azon’ny vahoaka malagasy sitrahana ireo otrikarena voajanahary maro izay ananan’i Madagasikara, araka ny fanambarana navoakan’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany. Notsiahivin’ity fanambarana ity fa efa nisy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ireo rijan-teny mifanaraka amin’izany, ka afaka miroso amin’ny fampiharana ny vina sy paikady rehetra novolavolaina ny Fitondram-panjakana amin’izay.
Fiantraika ara-pahasalamana
Ny tahotra ireo mety ho fiantraika ara-pahasalamana sy ara-tontolo iainana no tena antony lehibe mahatonga ireo mponina sasany any Atsimon’i Madagasikara manohitra ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Momba ny taratra « radioactif », dia tahaka izao no fanazavan’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany : rehefa maka ny akoran-tany trandrahana ny tetikasa, dia ny 6% amin’ny tany alaina ihany no misy fasika mavesatra. Ao anatin’izany fasika mavesatra izany dia 2% ihany no « monazite » ary mbola 0,3% an’ny « monazite » no ahitana « uranium » ilay mampisy ny taratra « radioactif ». Tena kely izany taha 0,3% amin’ny 2% izany ka tsy tokony hisy atahorana, araka izay efa voalazan’ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires (INSTN). Na izany aza, nanamarika ny ministera fa tsy ataon’ny Fanjakana ambanin-javatra ny momba ny fahasalaman’ny mponina sy ireo mpiasa ao amin’ny tetikasa.
Noho izany indrindra no mahatonga ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany hiantso fitoniana ary hanolo-tanana ireo ambaratongam-panjakana amin’ny fanohizana ny Tetikasa, mba hisitrahan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fampandrosoana entin’ity fitrandrahana ity.