Fanjakan'Imerina : Tantaran'Andrianampoinimerina sy ireo vadiny 12
Anisan'ny Mpanjaka tena nanomboka ny Fanjakan'Imerina teto Analamanga i Andrianampoinimerina. Ara-tantara, nanambady maro ny tenany, ka 12 no isan'ny vadiny.
Teraka ny taona 1745 no nahaterahan'Andrianampoinimerina na Imboasalama. Zanaky ny Mpanjakavavin'Ambohimanga Ranavalonanandriambelomasina izy. Ara-tantara, tsy nisy nanana sarin'Andrianampoinimerina mihitsy. Ireo mpahay tantara no nahavita sary, araka ireo lovan-tsofina mikasika ny mombamomba azy. Ny fandrinany tao amin'ny Rovan'Ambohimanga no namaritana fa eo ho eo amin'ny 1,45 hatramin'ny 1,50 metatra ny tsanganan'ny Mpanjaka. Voalaza ihany koa fa fotsy hoditra izy, noho izy nomen'Andriambelomasina raibeny solon'anarana hoe "Ilaifotsy".
Mpanjaka kely kamboty reny
Andriamiharamanjaka, nanjaka tao Anjozorobe, no rain'Andrianampoinimerina. Kely kamboty reny nefa izy, ka nijaly rehefa nanambady io rainy io. Nanefy azy ny fahasarotana niainany, ka lasa mpandray andraikitra izy no sady nahay nitady vola.
Nahalala izany fahoriany izany ny Andrianjafy, anadahin-dreniny. Io Mpanjaka io no nandimby an'Andriambelomasina tao amin'ny Rovan'Ambohimanga. Koa satria tsy mbola niteraka i Andrianjafy tamin'izany fotoana izany ka nalainy i Andrianampoinimerina. Tsy nampiova ny toetrany sy ny fanaony nefa izany fiakarany lapa izany.
Taty aoriana, niteraka lahy ihany i Andrianjafy, dia tsy iza fa i Ralaitokana. Nokasainy natolotra io zanany io ny fanjakany. Nikasa ny tsy hanaja ny hafatr'Andriambelomasina rainy nefa izy, dia ny hampandova ny fanjakana an'Andrianampoinimerina. Ireo loholon'Ambohimanga no nandresy lahatra ny vohitra manodidina ka nanandratra an'Andrianampoinimerina ho Mpanjaka, raha iny sendra tsy tao Ambohimanga iny i Andrianjafy.
Mpanjaka manam-pahendrena sy be herim-po
Nantsoina hoe Ombalahibemaso i Andrianampoinimerina noho izy sahy nanao dingana lehibe maro mba hampandrosoana ny fanjakany sy ny vahoakany. Niaro ny harem-pirenena ihany koa ny tenany nanoloana ireo vahiny efa nanomboka nihaodihaody teto Madagasikara. Navelany niakatra teto Imerina avokoa ny foko rehetra, satria nampiray ny Malagasy rehetra mihitsy ny tenany. Tsara ny mampahafantatra fa tsy dia nisy tia toaka tamin'ny androny, satria ireo vahiny no nampiditra io zava-pisotro io teto Madagasikara. Nampibobohany toaka ny omby velona, ka novonoiny, ary nasehony ny vahoaka ny atin'ilay omby potiky ny toaka. Nentiny nanaporofoina izany fa manimba io zava-pisotro mahamamo io. Tsiahivina fa Fady toaka ny doanin'Andrianampoinimerina eny Ankazomalaza Ambohimanga.
Nampiavaka an'Andrianampoinimerina ihany koa ny fandalàny ny fahamarinana. Tsy tia kolikoly ny tenany. Tamin'ny androny no nanombohana ny fiarovana ny tontolo iainana, satria nametraka didy izy fa tsy azo atao ny manapaka hazo eny amin'ny faritra manodidina an'Ambohimanga. Tia mamangy havana ihany koa io Mpanjaka io na dia maro andraikitra sahanina aza.
Mpanjaka nanjakazaka teto Madagasikara
Ny taona 1787 i Andrianampoinimerina no nandray ny Fanjakan'Imerina, ka tanjony tamin'izany ny hampiray ny fanjakan'Andriana rehetra manerana ny Nosy. Tao amin'ny rovan'Ambohimanga no nonenany, ka "Mahandrihono" no anaran'ny lapany tao. Saika resiny lahatra avokoa ireo Mpanjaka tany amin'ny foko maro hanaiky azy. Babony ohatra ny Betsileo, ny Sihanaka, ny Bezanozano sy ny Bara. Nosy i Madagasikara hoy izy, ka Fanjakana tokana no tokony hisy fa tsy mizarazara.
Ny Mpanjaka Sakalava, izay saika tsy nanaiky ny fampihavanana, dia tonga teto Imerina mihitsy. Tsy iza izany fa Andriamisara. Rehefa nihavana izy roalahy dia nisy ny velirano nifanaovana, ka lasa toerana masina ny teny Ankazomalaza. Ireo tehin'izy roalahy no lasa hazo maniry, ary nivoaka loharano mihitsy ilay vato nitehenan'Andrianampoinimerina tamin'izany fotoana izany. Misy doany fanasinana an'Andrianampoinimerina sy Andriamisara moa eny Ankazomalaza Ambohimanga. Fady kisoa sy akoho ary gana ny eny, noho ny maha-sakalava an'Andriamisara.
Mpanjaka nanambatra an'Imerina enin-toko
Ho an'ny teto Imerina manokana, maromaro ny stratejia politika nampiharin'Andrianampoinimerina. Tamin'ny ankapobeny dia nampiasainy ireo miaramilany mba hampiombonana ny fanjakan'Andriana, nentina nampihavanana an'Imerina enin-toko. Nanamarika ny fiainan'io Mpanjaka io nefa ny fampihavanana tamin'ny alalan'ny fanambadiana ny zanaky ny Mpanjaka na taranak'Andriana tamin'ireo vohitra masina miisa 12. Ny teny amin'ny toerana niaviany, izany hoe teny Ambohimanga, dia Rabodonimerina no vadiny. Zanakavavin'ny Mpanjakan'Avaradrano izy io. Niteraka roa tamin'Andrianampoinimerina i Rabodonimerina, dia i Rabodolahy sy Rakotovahiny.
Ireto àry ny mikasika ireo vadin'Andrianampoinimerina :
-Ambohimanga : Rabodonimerina
-Ilafy: Ramiangaly
-Ambohidratrimo: Rambolamasoandro
-Namehana: Ramisa
-Kaloy: Razafitrimo
-Alasora: Ramanantenasoa
-Ambohijoky: Rafotsirabodo
-Manjakamiadana: Ravaonimerina
-Imerimanjaka: Rasamoina
-Antsahadinta: Rabodozafimanjaka
-Iharanandriana: Ranoro
-Ambohidrabiby: Rasendrasoa
Tsiahivina fa naharitra 23 taona teo amin'ny fitondrana i Andrianampoinimerina. I Radama I, zanany tamin'i Rambolamasoandro avy eny Ambohidratrimo, no nandimby azy tamin'ny Fanjakan'Imerina. Araka ny lovan-tsofina, i Randriambolamasoandro, vady faha-12, no tena tian'Andrianampoinimerina. Be fanderena hono mantsy izy io, sady tsy mba nila ady na nanilika ireo vadin'Andrianampoinimerina hafa.