• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ankizy salama : ireo zavatra mila tandremany mba hisorohana ny aretina

10/03/2025 11:14 © Moov.Mg

Tsy mitsaha mitombo ny otrikaretina miparitaka eny amin’ny tontolo rehetra eny. Mora tratran’izy ireny ny ankizy noho izy ireo mbola marefo ny hery fiarovany raha oharina amin’ny olon-dehibe. Matetika moa dia zavatra kely tsy tandrina dia mankarary azy ireny. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra homena ny ankizy amin’ny andavanandro mba hitandrovana ny fahasalamany.

Sasao ny tanana !

Ny viriosy sy ny bakteria mipetraka eo amin’ny tanana matetika dia tonga any am-bava, indrindra eo amin’ny ankizy kely. Izay no antony mila ampianarana ny zanaka hanasa tanana matetika, ohatra rehefa mody ao an-trano, rehefa avy any amin’ny trano fivoahana, rehefa alohan’ny hisakafo… Atoro azy ny fomba fanasana tsara ny tanana amin’ny rano sy savony ary ny fanamainana ny tanana. Misoroka aretina maro eo amin’ny ankizy ny fizarana manasa tanana.

Manaova mafana !

Rehefa ririnina no tena mila tandremana tsara ity torohevitra ity. Ny ankizy tokoa mantsy matetika dia tsy tia mifonofono. Na efa mangatsiaka aza ny andro dia tsy mieritreritra ny hampiditra akanjo mafana izy ireny fa heverina fa maneritery na manelingelina azy izany. Anjarantsika ray aman-dreny no mampatsiahy hatrany ny zanaka hoe « manaova mafana ». Rehefa averina aminy hatrany izany dia ho tadidiny. Miaro amin’ny otrikaretina maro, toy ny sery sy gripa… ny fanarahan’ny ankizy ity torohevitra ity.

Misotroa rano tsara !

Miankina amin’ny taonan’ny ankizy ny filàna rano ao amin’ny vatany. Ny ankizy eo amin’ny 2 hatramin’ny 3 taona eo dia mila rano 0,9litatra isan’andro. Ny ankizy 4 hatramin’ny 8 taona mila rano 1,1 litatra. Manomboka eo amin’ny 9 taona eo dia mila rano 1,5 litatra isan’andro. Mila ampianarina mizatra misotro rano ny zanaka mandritra ny tontolo andro, eny na dia tsy mangetaheta aza hisorohana ny « déshydratation » izay mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana eo aminy.

Misakafoana tsara !

Dieny mbola kely ny ankizy dia efa ampianarina manaraka fomba fisakafoanana ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Ankoatra ny fampahafantarana azy ny tsiro isan-karazany dia atoro azy hoe ny sakafo no mitondra ny otrikaina hahazoana hery sy hiadiana amin’ireo karazana otrikaretina. Ferena arak’izany ny fihinanana zavatra tsy mahasoa toy ny vatomamy sy ireo zava-pisotro mamy be isan-karazany.

Tsy mifampikasokasoka amin’ny namana marary !

Ny ankizy kely dia miaina anaty fiarahamonina sy mifampikasokasoka amin’ny hafa. Hazavaina amin’izy ireny ny fomba fifindran’ny aretina mora miparitaka toy ny sery sy ny gripa, ny nendramboalavo... Atoro azy ihany koa ny fomba manampy hisorohana azy ireny, toy ny tsy fifampikasokasohana amin’ny ankizy marary.

Matoria aloha !

Ilain’ny ankizy ny fahampiana torimaso mba ho salama sy tsy ho mora handairan’ny aretina. Rehefa matory dia mamokatra hormonina atao hoe « mélatonine », izay mampitombo ny hery fiarovana, ny vatana. Mila matory adiny 8 hatramin’ny 13 ny ankizy, miankina amin’ny taonany.

Lire la suite

Articles Similaires