• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fetin’ny Krismasy : Ankizy miisa 72 ao anatin’ny Kamboty Ivelan’ny Akany nisitraka tohana nanaovana fety

26/12/2024 10:45 © Moov

Tsy diso anjara ihany koa ireo zanaka polisy maty teo am-panatanterahana ny asany, ka mipetraka amin’ny fianakaviany nandritra ny fankalazana ny Fetin’ny Noely teo. Ankizy miisa 72 ao anatin’ny fikambanan’ny Kamboty Ivelan’ny Akany (KIA) no nahazo fanomezana toy ireo zaza kamboty tezaina any amin’ny Akany ao Ambatolampy.

Manan-jo ny hankalaza ny fetin’ny Noely toy ny karazan’olona rehetra ireto ankizy ireto, indrindra manoloana ny fahasahiranana sy ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no niarahan’ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina tamin’ny Polisim-pirenena, nanatanteraka izany adidy izany. Ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin'ny fiahiana ny mahaolona rahateo izany asa izany.

Tokantrano miisa 40

Fotoana famalifaliana ny ankizy ny Fetin’ny Noely toy izao ; nahatsiaro ireo zaza kamboty misy mitaiza araka izany ny Polisim-pirenena, niaraka tamin’ity Ministera ity ka nanolotra fanomezana sy kilalao ho azy ireo. Tao anatin’izany ny fanomezana ho an’ny isaky ny ankizy sy « panier garni » ho an’ny tokan-trano miisa 40 izay hipetrahan’ireo zaza 72 ireo. Tao anatin’izany ny vary, gisa, menaka, paty sy ireo maro hafa. Teo ihany koa ireo fitaovana samihafa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, nanampy izany fanomezana izany. Tonga nanotrona izany fotoana izany ihany koa ny solontenan’ireo zaza kambotin’ny Zandarimariam-pirenena ao Arivonimamo ho mariky ny fiarahana mandrakariva amin'ny Hery fiarovana sy filaminana.
Nanolotra ireo fanomezana ny filoham-boninahitry ny FIVAPOVA, Rakotoarimanana Faniry sy ny Filohan’ny FIVAPOVA Analamanga niaraka tamin’ny mpikambana. Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police, Rakotoarimanana Herilala sy ireo mpiara-miasa aminy, ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny mponina. Tamin’izany no nirariana soa hatrany ireo zaza kamboty sy ireo mpitaiza azy ireo amin’ny asa masina izay tanterahiny ho an’ireo ankizy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires