• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Beata Zawrzel-Nurphoto
Image
Vaovao

Etazonia : Mahazo mirotsaka ho kandida filoham-pirenena na manana raharaha ara-pitsarana aza

01/11/2024 06:03 © Moov

Marobe ireo mpanara-baovao manerantany no gaga ny amin'ny filatsahan'i Donald Trump amin'ny fifidianana filoham-pirenena.

Ny 30 may lasa teo no nohelohin'ny fitsarana i Donald Trump, noho ny fiampangana azy tamin'ny nanomezany vola ny mpilalao horonantsary mamoafady Stormy Daniels mba hanafenany ny niarahan'izy ireo. Mbola misy raharaha ara-pitsarana hafa ihany koa nahavoasaringotra an'i Donald Trump, ka anisan'izany ny fampiasana taratasy sandoka tamin'ny raharaha ara-barotra maro, sy ny nikasany hanova ny voka-pifidianana tamina firenena iray tamin'ny taona 2020. Noho ireo Antony ireo dia efa tsy nisy nanatena firy intsony hahita io filoham-pirenena teo aloha io hiditra an-tsehatra indray. Kandida soa aman-tsara nefa ny tenany, ary hifanandrina amin'ilay Senatera vehivavy Kamala Harris.

Fepetra fototra

Ohatra erantany amin'ny fampanajana ny demokrasia sy ny zon'olombelona i Etazonia. Noho izany indrindra, afaka mandray anjara amin'ny fifidianana Filohampirenena avokoa ny olom-pirenena rehetra, na sanatria voafonja aza.
Tsotra dia tsotra ny fepetra hirotsahana ho fidiana ho Filohampirenena ao Etazonia :
-Olona 35 taona no mihoatra;
-Olona mizaka ny zompirenena amerikana hatramin'ny nahaterahana ;
-Olona mipetraka ao Etazonia, ary nonina nandritra ny 14 taona farafahakeliny.
Araka izany, tsy manakana ny faniriana hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena mihitsy ny fananana raharaha ara-pitsarana. Na dia voafonja aza dia mbola mananjo hatrany. Tsara ny manamarika fa indroa ihany no hahafahana mitondra ny firenena Amerikana. Raha toa ka efa nitondra "mandat" roa, na mifanesy na mielanelana, dia tsy afaka mirotsaka ho fidiana intsony.

Fepetra fanampiny

Matetika dia 2 ihany ny kandidà mifanandrina amin'ny fifidianana Filoham-pirenena Amerikana, dia ny avy amin'ny "démocrate" sy ny "républicain". Mety ho lasa 3 nefa ireo mpifanandrina raha misy kandidà tsy miankina na antoko politika hafa. Misy ny "fampielezankevitra" atao mba hahazo ny fankatoavan'ny antoko lehibe tiany ho soloina tena, herintaona mialoha ny fifidianana. Mitety firenena mihitsy ireo te ho kandida ka manatanteraka "mini-campagnes", ka misy ireo mihintsana avy hatrany noho ny tsy fahampiana ara-bola. Matetika ihany koa dia mikarakara "levée de fonds" ireo te ho kandidà, mba hanampiana ny tetibola ampiasaina. Misy sivana goavana araka izany, ka izay olona tena azo antoka fa ho lany no misoratra anarana amin'ny lisitry ny ho kandida ho filoham-pirenena.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny talata 5 novambra ho avy izao no daty ofisialin'ny fifidiana izay ho filoham-pirenena faha-45-n'i Etazonia. Efa mandeha kosa nefa ny "élection anticipé" sy ny "vote par correspondance", arakaraka ny fandaminan'ny firenena tsirairay. Atao izany mba ho ambony araka izay azo atao ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy.

Lire la suite

Articles Similaires