• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Kmf Cnoe
Image
Vaovao

KMF / CNOE : « Tokony hajaina ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana solombavambahoaka »

21/06/2024 13:38 © Moov

Nanao tatitry ny fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka ny KMF CNOE omaly ka naneho ny heviny momba izany. Araka izany dia mangataka amin’ireo mpandray anjara rehetra tamin’iny fifidianana iny izy ireo ny amin’ny tokony hanajana ny safidim-bahoaka. « Mendrika rafi-pifidianana marina ny Malagasy : mangarahara sy manaja ny safidiny », hoy izy ireo tamin’izany.

Mijanona ho mahaleotena

Anisan’ny nanehoan’izy ireo hevitra ny mikasika ny kandida solombavambahoaka, indrindra ireo izay nilatsaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ity fangatahan’izy ireo ity ireto kandida ireto. « Tsy tokony hivoana na hiandany na hanaraka antoko hafa ny kandida mahalaeotena. Tamin’ny anaran’ny tenany manokana no nifidianan’ny mpifidy azy ireo ka famitahana ny vahoaka izany raha hatao », hoy i Robert Namearison, filoha Nasionalin’ny KMF CNOE. Hizingizinin’ity sampana iray ity fa zava-dehibe izany fanajana ny safidim-bahoaka izany. Afaka hanehoana ny fisian’ny demokrasia izany ary azo heverina hamerina indray ny fahatokisan’ny olona ny sampana Antenimierampirenena. Antony iray tokony tsy hidirana amin’izany ihany koa hoy hatrany ity sampana ity ny hialana amin’ny « majorité absolue ». Tokony ho ny « majorité relative » no hita eny amin’ny Antenimierampirenena mba hampandeha ny raharaha rehetra.

Valim-pifidianana manaraka ny lalàna

Nametraka hafatra ho an’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ihany koa izy ireo. Mandray anjara amin’ny fanajana ny safidim-bahoaka ihany koa izany andraikitra tokony sahanin’ny HCC izany. « Tokony izay valim-pifidianana nivoaka avy any amin’ireo biraom-pifidianana marina ihany no havoaka amin’ny fomba ofisialy. Vokatra marina sy araka ny lalàna no ilain’ny vahoaka araka izany », hoy hatrany ny filohan’izy ireo. Eo am-piandrasana izany voka-pifidianana ofisialy izany anefa dia miandrandra fitoniana hatrany ny KMF CNOE.

Fantsarana ny rafitra fifidianana

Nanambara ihany koa ity fikambanana ity fa maro ireo fanatsarana ny rafi-pifidianana raha ny hita tamin’iny fifidianana farany iny. Hanamafisana ny ny fahefan’ny olom-pirenena no tanjon’izany. Tsy ho tanteraka izany raha tsy hahitsy ny Lalàmpanorenana amin’ny Andininy 3, 5, 24, 46, 55, 70, 72, 114, Toko II manontolo, 161, 162 sy 166 ary ny 168. Tazomina kosa ny dingana tsara efa vita toy ny ao amin’ny andininy 163.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo