• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cafe Bagdad
Image
DYI

Mitetika tongolo : Fikafika mandaitra mba tsy hankarary maso

13/05/2024 13:20 © Moov.Mg

Isan’ny raharaha ao an-dakozia mampiferotr’aina tokoa ny mitetika tongolo. Manaikitra maso tokoa ny fanaovana azy io ka mampirotsaka ranomaso mihintsy aza. Misy kosa nefa ireo fikafika tsotra mandaitra mba tsy hankarary maso intsony rehefa mitetika tongolo. Araho ary !

Fa maninona no manaikitra maso ny tongolo rehefa tetehina ?

Alohan’ny iresahana ireo fikafika tsy hankarary maso rehefa mitetika tongolo dia mila fantarina aloha ny antony mahatonga izany. Rehefa maniry ao ambanin’ny tany ny tongolo dia mitroka ny « souffre » ao anatin’ny tany. Rehefa tetehana ilay tongolo dia vaky ireo sela vonton-drano mitahiry ny « composés sulfurés ».
Ireto farany dia mamoaka « gaz toxique » mitsingevana eny amin’ny rivotra eny ka tonga eo amin’ny maso. Rehefa mifampikasoka amin’ny « liquide lacrymal » izy io dia mivadika « acide sulfurique ». Ho fiarovany tena dia manome fahatsapana manaikitraikitra ny maso ary mamoaka rano maso. Ahoana ary ny fomba atao mba tsy hankarary ny maso sy tsy ampilatsaka ny ranomaso rehefa mitetika tongolo ?

Voasana tsy esorina ny vodin’ilay tongolo

Ao amin’ny vodin’ny tongolo no miandrona ny ankamaroan’ny « composés sulfurés » voatahiry ao aminy. Mba tsy hivoahan’ilay « gaz toxique » mankarary maso rehefa mitetika tongolo dia tsara raha voasana toy ny mamaofy akondro ity farany. Izany hoe tsy esorina ilay vodiny iny. Avy eo zaraina roa amin’ny halavany ny tongolo izay vao tetehina. Tsara raha atao maranitra tsara ny antsy ampiasaina mba hampihena ny ranon’ny tongolo mivoaka rehefa mitetika azy.

Alona anaty rano ny tongolo vao tetehina

Fikafika iray mandaitra ihany koa ny fandomana ny tongolo anaty rano mandritra ny 30 minitra. Izany hoe maka rano anaty lovia jobo ary apetraka ao ny tongolo voavaofy. Rehefa vonton’ny rano ny anatin’ny tongolo dia mihena ny herin’ilay ranony izay manaikitra maso iny. Aorian’izay fotoana nandomana azy izay vao tetehina ny tongolo. Azo avela hipetraka anaty « congélateur » mandritra ny 30 minitra ihany koa ny tongolo raha tsy te handona azy anaty rano. Ny hatsiaka dia manakana ilay « gaz toxique » ao anatiny tsy hivoaka rehefa tetehina ny tongolo.

Lire la suite

Articles Similaires