• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Humanité- Musée De La Photographie Madagascar
Image
Madagasikara

Tantara : Inona marina no tena nitranga tamin'ny 13 mai 1972 ?

13/05/2024 10:54 © Moov

Somary nangingina ary tsy nasiana fanamarihana mihitsy aza ny "13 mai". Andro fiasana rahateo io daty io. Inona àry no tena tantara raketiny ?

13 mai 1972 # 13 mai 2024

52 taona izay no nisian'ny rà mandriaka teny Analakely, manoloana ny Lapan'ny Tanàna. Teo ho eo amin'ny efapolo isa teo ny namoy ny ainy, izay saika mpianatra tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo avokoa. Nangataka ny hitovy amin'ireo mpianatra ho dokotera teny Ankatso ireo mpianatra tao Befelatanana. Niombon-kery nefa ireo mpianatra rehetra avy eo. Maherin'ny zato ireo naratra. Tsy adino ireo voasambotra aman-jatony, indrindra ireo mpitarika, izany nalefa nifonja tany Nosy Lava. Ireo mpianatra teny amin'ny Ambaratonga Ambony no nitarika fitokonana, noho ny fitakiana ny hanovana ny rafi-pampianarana sy ny fandaharam-pianarana, izay mbola nangalana tahaka tanteraka ny Frantsay.
Tamin'io andro io dia nipoaka ny basy, noho ny fanakanan'ireo mpitandro ny filaminana ny hetsika, sy fandravana ireo mpitokona aman'arivony. Rehefa hitan'ireo mpitokona fa maro ireo maty dia nodoran'izy ireo ny Lapan'ny Tanàna (Hôtel de Ville).
Ankoatra ny fitakiana ny fanoloana ny fandaharam-pampianarana, nisy olana lehibe hafa ihany koa izay nitadiavana vahaolana :
-Fanafoanana ny fifanarahana amin'ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina amin'i Lafrantsa ;
-Fitakiana ny fijerevana manokana ireo tanora sahirana ara-pivelomana. Nangataka tamin'ny Fanjakana ireo mpitokona ny amin'ny hahafahan'ireo tanora ireo mianatra any amin'ny sekoly Ambaratonga faharoa.
Ny 18 may 1972 no rava tanteraka ny Governemantan'i Philibert Tsiranana, izay nanamarika ny fifaranan'ny Repoblika voalohany. Niditra tamin'ny "Directoire militaire" moa ny Firenena Malagasy avy eo, satria natolotry ny Filoham-pirenena ny Foloalindahy ny fahefana. Ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, izay sady Praiminisitra no manam-boninahitra, no nitondra ny firenena Malagasy, ny volana may 1972 hatramin'ny febroary 1975.

Saritsarim-pahafahana

Raha tsiahivina dia fifanarahana tamin'ny frantsay mpanjanaka no nahazoan'i Madagasikara fahaleovantena. Tsy ireo depiote tena naniry ny hanafoana ny fanjakanjakan'ny Frantsay, dia ry Joseph Raseta sy ry Ravoahangy, no nahazo ny fitondrana, fa ireo antoko nanaiky ny fandaminana frantsay. Nosamborina ireo mpikambana tao amin'ny MDRM izay notsaraina ho "mpikomy". Nahazo vahana ireo nanaiky ny fifampiraharahana tamin'ny mpanjanaka. Noho izany indrindra, i Philibert Tsiranana, mpanorina ny PADESM, no lany ho filoham-pirenena Malagasy voalohany, izay nandray ny fitondrana tamin'ny taona 1960. Mpikambana tao amin'ny Antenimierampirenena Frantsay ny tenany, no lasa filoham-pirenena Malagasy manohy ny fifampiraharahana amin'i Lafrantsa (président de Madagascar indépendant sous protectorat de la France).
Raha ho an'ireo mpahay tantara manokana, ny taona 1972 no ambara fa "fahaleovantena faharoa" (deuxième indépendance) ho an'i Madagasikara. Niha-lefy mantsy ny fidiran'i Lafrantsa tamin'ny raharaha anatiny teto amin'ny firenena. Iaraha-mahalala nefa fa hatramin'izao vanim-potoana izao, na dia efa aty amin'ny Repoblika faha-efatra aza, dia mbola tsy mety tafasaraka tanteraka amin'i Lafrantsa i Madagasikara, amin'ny lafiny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires