• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

PDS Antananarivo : Niantso ny mponina ho sarotiny amin’ny fahadiovana sy ny fidiovana

07/05/2024 14:35 © Moov

Nitafa tamin’ny mponina eto amin’ny tanànan’Antananarivo indray ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) Ramanambitana Richard, androany. Fotoana iray entiny hitondrana hafatra ho an’ny mponina izany. Nanentananany sy nampahatsiahivany ny maha-sarobidy ny fahadiovana ny hafatra tamin’ity herinandro ity. Samia saropiaro amin’izany fahadiovana izany hoy hatrany izy.

Andraikitry ny tsirairay

Tokony maha sarotiny ny mponina rehetra tsy ankanavaka eo amin’ny tanànan’Antananarivo ny fahadiovana sy ny fidiovana. Nanamafy izany ity PDS ity tamin’ny lahateny nataony ka nanentanany ny sehatra rehetra samy ho sarotiny amin’izany fahadiovana izany. « Ndao hifanentana isika mikasika ny fidiovana sy ny fahadiovana. Na ny eny anivon’ny tanàna, fokontany, firaha-monina, sekoly, fiangonana, samia saropiaro amin’izany », hoy i Ramanambitana Richard tamin’ny fanentanana nataony. Araka izany dia samy manana andraikitra ny tsirairay amin’ny fitandroana io fahadiovana io. Tokony hifampiteny raha mahatsikaritra fihetsika mifanohitra amin’ny fahadiovana izany. Nomarihiny manokana tao anatin’izany ny fanariana fako eny rehetra eny ary eo ihany koa ny fanaovana maloto amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Naniraka ny rehetra izy hifampiteny raha misy izany tranga izany.

Hamerina ny hasin’ny tanàna

Iray amin’ny tanjona tratrarina amin’ity hetsika fanadiovana ity ny hamerina indray ny hasin’ny tanàna. Rehefa madio dia mahaliana sy mahafinaritra ary reharehan’ny rehetra. Izany indrindra no maha-tanan-dehibe azy. Toerana iray be mpitsidika ihany koa ka mba hiverenan’ny fahalianana’ny rehetra hitsidika indray ny tanàna no antony maha-zava-dehibe ny fahadiovana. Efa maro rahateo ny ezaka izay hatao hameranana izany fahadiovana izany eto Antananarivo. Samy mahazo tombony amin’izany rahateo ny rehetra rehefa madio ny tanàna. Afaka ny hamerina ny fitiavana ny tanàna ao am-pon’ny tsirairay ihany koa izany.

Fanaovana sivana

Fihetsika iray lehibe ihany koa ny fanaovana sivana ny fako. Mahatonga ny fofona tsy zaka sy ny fako miparitaka ny fanatobiana ny fako amin’ny toerana iray. Eo no ilaina ny fanasivanana ny fako hahafahana mametraka ny karazana fako amin’ny toerana tokony hisy azy tsirairay. Manamora ny fanodinana ny fako ihany koa izany. Mbola tsy mitoetra manerana ny tanàna anefa izany hahafahana manavaka ny karazana fako izany. Ilaina ary tokony hatao laharam-pahemahana ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny olona ny mahakasika izany ary indrindra ny fampiharana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo