• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona : Mila fampiofanana tsara kalitao ny Rasazy

06/05/2024 09:31 © Moov.Mg

Nomarihina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona. Lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity ny hoe : "Ny Rasazy, vahaolana amin’ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro". Tany Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, no nanatanterahana ny fankalazana ôfisialy, ho an’i Madagasikara.

Tokony omena lanja

Mampiseho ny maha-manan-danja ny Rasazy, na ny mpampivelona, io lohahevitra nosafidiana io, satria am-perin’asa foana izy ireny. Na inona na inona tranga ara-toetr’andro miseho, dia misy foana ny vehivavy miteraka, misy foana ny vehivavy misafo, misy foana ny vehivavy mila fandrindram-piterahana. Mazàna anefa ireo mpampivelona no tsy omena ny toerana sahaza azy loatra, raha mitaha amin’ny dokotera. Nefa any ambanivohitra lavitra any, dia maro ireo Rasazy no mitantana tobim-pitsaboana fototra (CSB), misolo ny toeran’ny dokotera, satria izy ireny no mora alefa kokoa any amin’ny distrika lavitra. Raha eo amin’ny lafiny fanofanana ihany koa dia matetika no atao ambanin-javatra ny Rasazy ary tsy dia misy mpamatsy vola loatra izany. Nilaza ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina, ho an’ity andro iraisam-pirenena ity, fa tokony hifantoka bebe kokoa sy faran’izay haingana amin’ny famoronana tontolo ahafahan’ny Rasazy manatanteraka ny asany izao tontolo izao. Ny fametrahana fampiofanana tsara kalitao sy ny fanomezana azy ireo izay ilainy rehetra amin’izany fanatanterahany ny asany izany, ary ny fanomezana azy ireo ny fahefana hiasa, amin’ny maha-tomponandraikitra feno ao anatin’ny rafitry ny fahasalamana azy, no ahafahana manatanteraka izany.

Mahaleo tena sy matianina

Araka ny antontan’isa, eto Madagasikara dia mbola ny 40%-n’ny vehivavy hiteraka ihany no manatona tobim-pahasalamana, fa betsaka ireo no miteraka an-trano sy amin’ny renin-jaza. Ankoatra ireo antony maro, toy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana, ny tsy fanana izay ho enti-manana sy ny tsy fahalalana, dia isan’ny tsy mandrisika ny vehivavy hiteraka amin’ny Rasazy ihany koa ny tsy fahatokisana ny fahaiza-manaon’izy ireny sy ny tahotry ny ho voakitakita. Antony tsy maintsy hampiakarana ny lentan’ny fanofanana ireo mpampivelona izany, mba ho tena mahaleo tena sy matianina amin’ny asany sy amin’ny manodidina izany asany izany izy ireny, ka tena ho afaka manampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny malagasy eo am-pahaterahana ary koa amin’ny fisorohana ny aretina mamany lava, izay mbola mahazo ny vehivavy malagasy 4.000 isa isan-taona, raha ny tombana. Araka ny fantatra moa dia miisa 14 500 ny mpampivelona misoratra ao anatin’ny lisitry ny Holafitry ny Mpampivelona eto Madagasikara hatramin’ny volana mey 2023.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo