• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

FMI : 660 tapitrisa dolara ho an'i Madagasikara !

23/04/2024 20:51 © Moov

Tsy diso anjara amin'ny fanohanana iraisam-pirenena i Madagasikara. Anisan'ireo mpamatsy vola goavana ho an'ny firenena ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).

Nandray ny delegasion'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay notarihan'Andriamatoa Frédéric Lambert, ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha no nanatanterahana ny fivoriana androany 23 aprily.

Fanamafisana ny fiaraha-miasa

Mitohy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ny FMI. Rehefa avy nihaona manokana tamin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny delegasiona dia izao nihaona tamin'ny Governemanta iray manontolo izao indray. Noresahina tamin'izany ny hametrahana indray ny fandaharanasa miisa roa, ka ny iray amin'ireo dia fandaharanasa vaovao. Samy maharitra 36 volana moa ireo ary mitentina 660 tapitrisa dolara.
-Ny Facilité Elargie de Crédit (FEC) : Miompana amin'ny fahamarinan-toerana ara-bola sy ny fitantanam-bola, ny fitomboana ara-toekarena, ny fampiroboroboana ny maha-olona, ny fiahiana ara-sosialy ary ny fitantanan-draharaham-panjakana.
-Ny Facilité pour la Résilience et la Durabilité (FRD) : Fandaharanasa vaovao mifantoka amin'ny fahafaha-miatriky ny firenena manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro. Tafiditra ao anatin'izany ny fampihenana ny fanimbana ny ala sy ny famoahana entona maloto.

Mbola hitohy hatramin’ny 3 may 2024 ho avy izao ny fivahinian'ireto delegasion'ny FMI ireto eto Madagasikara. Mbola hisy araka izany ny fihaonana manaraka miaraka amin'ny Governemanta, tarihan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo