• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : Tonga ny andiany voalohany amin’ireo takela-masoandro ho an’ny Tetikasa 50 MW

18/04/2024 12:01 © Moov.Mg

Kaontenera miisa 163, mitondra takela-masoandro na « panneaux solaires » sy ireo kojakoja miaraka aminy, no noraisin’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina androany. Hampiasaina ao anatin’ilay Tetikasa 50 MW momba ny angovo azo havaozina izy ireo.

Mitsitsy sy miaro ny tontolo iainana

Mitotaly 75.690 ny isan’ireo takela-masoandro vao nentin’ny sambo ireo. Distrika 47 any amin’ny Faritra 18 ary olona miisa 500.000 no hisitraka herinaratra amin’ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, izay hanana tanjaka 50 MW. Raha any amin’iny tapany Atsinanan’i Madagasikara iny dia isan’ny hisitraka izany i Soanierana Ivongo, Tanambe, Amparafaravola, Vatomandry, Anosibe an’Ala... Amin’ny volana mey ho avy io no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana, ka mitentina 286.000.000.000 Ar ny tetibola hanatanterahana izany. Hahafahana mitsitsy solika 19.000 hatramin’ny 20.000 m3 isan-taona ny fisian’ity fotodrafitrasa ity, izany hoe : manodidina ny 85 miliara Ar isan-taona ny fitsitsiana ara-bola vokatry ny fampiasana azy. Mihena 52.000 t isan-taona ihany koa ny entona ratsy (gaz à effet de serre) lasa any anaty tontolo iainana.

Herinaratra ho an’ny rehetra

Tanjon’ity tetikasa ity ny hampiakarana ny taham-pisitrahana herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy, ary koa hampihenana ny fandaniana solika ho an’ny orinasa Jirama. Araka izany, tsy hisy intsony ny fahatapahan’ny herinaratra, noho ny tsy fisian’ny solika any amin’ireo Distrika hisitraka ny Tetikasa 50 MW, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena, tao anatin’ny lahateniny. Tanjona iray lehibe ihany koa ny hampihenana ny fandaniana solika, ho an'ny orinasa JIRAMA. Ity tetikasa ity moa dia famatsiam-bolan’ny Fitondrana Malagasy sy ny JIRAMA. Andiany voalohany ireto kaontenera 163 isa ireto, fa 300 isa no totalin’izy ireo, araka ny fantatra. Ankoatra ny filoha Andry Rajoelina dia nanatrika ity fandraisana ofisialy ity ihany koa ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo