• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Olana momba ny ranomasina : Mikaon-doha any Athènes ireo tomponandraikitra

16/04/2024 17:54 © Moov.Mg

Mandray anjara amin’ny andiany faha-9 amin’ny Fivoriambe momba ny Ranomasina, izay tontosaina any Athènes Grèce i Madagasikara. Ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo solontena avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny no miatrika izany.

Olan’ny ranomasina

Ny mba handinihana ireo olana rehetra izay mianjady amin’ny ranomasina, toy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahalotoana, ny fahaverezan’ireo zava-manan’aina maro samihafa, ny jono tafahoatra sy ireo karazana ambana hafa, no tena antom-pisian’ny Fivoriambe momba ny Ranomasina. Tamin’ny volana jona 2014 no nanaovana ny andiany voalohany, tany Washington DC, ka nitarika izany i John Kerry, Sekreteram-panjakana amerikanina tamin’izany fotoana izany. Amin’izao andiany faha-9 izao dia firenena 186 isa no manana solontena mandray anjara ary Filoham-pirenena 20 ihany koa no miatrika ny fivoriambe any an-toerana. Maharitra telo andro ny fivoriana, izay nanomboka androany.

Nisy ezaka vita

Tamin’ity androany ity dia nandray fitenenana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ka ny Ady amin’ny Jono tsy manara-dalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana, ary ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny Jono eto Madagasikara, no lohahevitra novoaboasany nandritra izany. Minisitra maro avy amin’ny Firenena maro toa an’i Ghana, Cape Vert, Comores sy Guinée Bissau no niaraka namelabelatra hevitra taminy, ary samy nidera ny ezaka nataon’i Madagasikaza momba ireo lohahevitra ireo avokoa. Isan’ny nampahafantarin’ny Minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert, fa efa miisa 23 ankehitriny ireo sambo manao ny fitsirihana an-dranomasina eto Madagasikara, raha toa ka 2 ihany izany teo aloha ary. Ankoatra izay, efa mipetraka tsara ny fiaraha-miasa amin’ny Fikarohana mangarahara momba ny jono (FiTI), araka ny nambarany hatrany.

Malalaka ny sehatra

Andrasana moa ny fanapahan-kevitra hiombonan’ireo firenena rehetra mandray anjara, ny amin’ny asa miaraka tokony hotanterahina, ny fizarana ny zava-misy ary ny fiaraha-miasa azo atao rehetra hiatrehana miaraka ireo olana momba ny ranomasina. Efa nanao antso tamin’ireo mpanam-bola rahateo ny Minisitra, mba ho tonga handraharaha amin’ny sehatry ny Toekarena Manga aty Madagasikara, satria sady mangarahara no mbola malalaka ny sehatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo