• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fikorontanan-tsaina : Voizina eto Madagasikara ny momba ny fanarenana ara-psikôsôsialy

07/11/2023 14:55 © Moov.Mg

Ny fitsaboana ny olona manana fikorontanana ara-tsaina eto Madagasikara, eny anivon’ireo ivon-toeram-pitsaboana, dia mifototra amin’ny fandraisana an-tanana eny amin’ny hôpitaly, ny fanomezana fanafody ary ny fanaraha-maso ireo olona marary, amin’ny ankapobeny. Mbola zava-baovao eto Madagasikara, araka izany, ny atao hoe : fanarenana ara-psikôsôsialy, izay nanaovana atrikasa androany teny Faravohitra.

Fandraisana an-tanana ny maha-olona

Sambany eto Madagasikara no anatanterahana hetsika mifototra amin’ny fanarenana ara-psikôsôsialy toy izao. Ny fikambanana Psy-Kôzy no mikarakara azy ity, iarahany amin’ny manam-pahaizana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Raha fintinina amin’ny teny fohy ny atao hoe : fanarenana ara-psikôsôsialy dia fandraisana an-tanana ny maha-olona ireo marary, amin’ny alalan’ny fanampiana azy amin’ny fahasahiranana iainany, ary indrindra, amin’ny fanasongadinana ireo traikefa sy fahaiza-manaony. Lafin-javatra efatra no jerena ao anatin’izany, araka ny fanazavan’ny dokotera Kiady Rivo Razafindralambo, « interne qualifiant en psychiatrie ». Eo aloha ny fitsaboana, fa eo ihany koa ny fifantohana amin’ny fiainana ara-tsosialin’ilay marary. Jerena ihany koa ny momba ny asany, ary farany, ny tanjona tiany hahatongavana eo amin’ny fiainana sy ny tetikasany. Teknika maro samy hafa no ampianarina an’ilay olona, mba hanampiana azy amin’ireo lafin-javatra 4 ireo.

Ady amin’ny fanavakavahana sy fanilikilihana

Ho an’ity androany ity dia atrikasa karazany enina no notanterahina, ka nisy tamin’izany no natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fahasalaman’ny saina ary nisy no nisokatra ho an’ny daholobe. Voaresaka tao anatin’ireo, ohatra, ny fomba ahafahana mitazona ny risi-po ao anatin’ny fitsaboana. Noresahana ihany koa ny momba ny « pair-aidant », izay mbola tsy misy eto amintsika. Izy io dia olona miaina fikorontanana ara-tsaina, fa manampy ireo olona tratran’ny fikorontanana toa azy ihany. Ny tanjona lehiben’ity atrikasa ity sy ny fanarenana ara-psikôsôsialy, amin’ny ankapobeny moa, dia ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana ireo olona marary. Mampitahotra ny olona ny momba ny fikorontanan-tsaina, hoy ny Pr Nicolas Franck, psykiatra, tomponandraikitry ny Ivon-toerana momba ny fanarenana ara-psikôsôsialy eo anivon’ny hôpitaly Le Vinatier, any Lyon Frantsa, izay nizara ny traikefany tao anatin’izao atrikasa izao.

Fahasalamana ara-tsaina miabo

Fomba iray hanovana izany, hoy izy, ny firesahana ny momba ny fahasalamana ara-tsaina amin’ny fomba miabo. Mahakasika ny olona rehetra mantsy ny fahasalamana ara-tsaina ary tafiditra tanteraka ao anatin’ny fahasalaman’ny tsirairay. Nilaza ihany koa ny profesora Nicolas Franck fa misy zavatra betsaka azony isintonana lesona avy amin’ny fomba fiainan’ny Malagasy ary mety ho azo ampiharina amin’ny fanarenana ireo olona tratran’ny fikorontanan-tsaina any Frantsa. Notanisainy tamin’izany ny firaisan-kina sy ny fihavanana, izay tombony ho an’ireo Malagasy manana fikorontanan-tsaina. Tena ilaina mantsy ny fanampiana avy amin’ny havana sy ny olona akaiky, hoy izy, saingy tsy ampy an’io fifandraisana akaiky amin’ny havana io ny any Frantsa. Marihina fa na any Frantsa aza dia mbola azo lazaina ho zava-baovao ihany koa ny fanarenana ara-psikôsôsialy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo