• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn_Telma
Image
Nationale

Hery Rajaonarimampianina : Mangataka ny fitovian’ny fahalalahana ho an’ny rehetra

17/08/2023 15:13 © Moov.Mg

Miantso ny rehetra mba hijery amin’ny maso tsy miangatra ny zavatra miseho manoloana ny tsy fanajana ny fahalalahana amin’ny lafiny fanehoan-kevitra sy ny fivoriana ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Satria tokoa dia antoka iray hisian’ny fitoniana sy ny fifidianana malalaka ny fiantohana izany fahalalahana izany, ary tokony hitovy ny rehetra fa tsy misy tombo sy ala, hoy ny tenany.

Trangana tsy fananjana ny fahalalahana

Manameloka ireo endrika tsy fanajana ny fahalalahana izay mianjady eo amin’ny antoko politika misy azy ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Manoloana izany dia nandroso ohatra iray mazava izay nitranga tamin’ireo ny tenany. « Rehefa izahay tonga tao Ampenefena, distrikan’i Vohémar, ka hihazo ny toeram-pivoriana izay trano mihidy, dia nosakanan’ny mpitandro ny filaminana izahay. Rehefa nanotaniana dia tsy tena misy antony mazava fa fotsiny hoe tsy mahazo mandeha tongotra fa mandeha fiara izahay miditra ao amin’ilay trano voatondro hivoriana. »
Mampametraka fanotaniana hoy izy ny fampiharana ny tany tan-dalàna. Izany fahalalahana izany dia tokony hiteraka fitoniana eo amin’ny firenena iray manontolo. Nandritra ny dian’izy ireo tany Vohemar sy Ambilobe anefa dia zavatra hafa no hita. Saika nahitana zandary isaky ny 30 metatra, ary ireto farany dia maka sary sy horonan-tsary ny delegasiona notarihan’i Hery Rajaonarimampianina, araka ny nambarany hatrany. « Tsimaintsy manao tatitra any amin’ny lehibe anay izahay », hoy ireo zandary rehefa nanotaniana.
« Tsy ny fanohitohinana ny delegasiona HR tsy haneho hevitra no olana fa ny fampihorohoroana ny vahoaka. Tena miendrika fampihorohoroana mihitsy ny fisiana mpitandro ny filaminana mijoro etsy sy eroa. Amin’izy ireny aza dia misy mihitsy ny miteny amin’ny olona hoe aza makany ianareo sao sanatria misy zavatra miseho eto. » hoy i Hery Rajaonarimampianina nanamafy.


Copyright Image : © HR 2023.jpg

Tombo sy ala

Tokony mitovy avokoa ny fampiharana ny lalàna sy ny fampiantohana ny fahalalahana ho an’ny rehetra, araka ny nambaran’i Hery Rajaonarimampianina. Manoloana izany dia noresahany manokana ny hetsika izay nataon’ireo ao anatin’ny antoko TGV any amin’ny faritra Atsimondrano. « Tetsy andaniny anefa ny avy eo amin’ny TGV dia nanao hetsika ara-politika tamin’ity volana ity ihany. Niantso ny kandidan’izy ireo hirotsaka ho fidiana izy ireo tamin’izany. Angaha nisy fampiorohoroana tao, angaha nisy mpitandro ny filaminana nilaza tao hoe aza maneho hevitra ianareo ? Nisy mpiasam-panjakana ihany koa tao anatin’ireny, anefa tsy tokony miandany izy ireny ».
« Ny lalam-panorenana andian’ny faha-folo anefa dia milaza mazava fa : ny fahafahana maneho hevitra sy miteny […] dia samy iantohana ho an’ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy hoe fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka, ny famendrehan’ny firenena ary ny filaminan’ny Fanjakana. Inona ao amin’ilay olona mandeha tongotra hamonjy trano fivoriana no lazaina manohitohina ? » hoy hatrany i Hery Rajaonarimampianina nametram-panotaniana.


Copyright Image : © Richard_Ramanambitana

Mangataka ny fametrahana ny fahalalahana ho an’ny rehetra

Mangataka ny fahalalahana ho an’ny rehetra ny antoko tarihin’i Hery Rajaonarimampianina. « Tsy izaho irery no hiaran’izany tohatohana izany fa eo ihany koa ireo efa nilaza na mieritreritra ny hilatsaka ho kandida ho filoham-pirenena. »
Manoloana izany dia mangataka ny fanajana ireo lalàna mahakasika ny fahalalahana maro samihafa misy manerana izao tontolo izao, toa ny « Déclaration Universelle des Droits de l’Homme (DUDH) » ny tenany. Eo ihany koa ny « Pacte International relatif aux droits civils et politiques », izay efa neken’ny firenena maro ny 1971, ary anisan’izany i Madagasikara. Ny adinin’ny faha 21 amin’io « pacte » dia manamafy fa tokony hekena sy hamoraina ny fahafahan’ny olona mivory sy maneho hevitra eo amin’ny firenena iray. Miresaka mahakasika izany fahalalahana izany ihany koa ny « Charte Africaine de la démocratie, des élections et de la gouvernance ary ny Principes et Lignes directrices de la SADC régissant les élections démocratiques ». « Ny fahalalahana maneho hevitra ara-politika no tena fototry ny demokrasia, ary izany dia volaza ao anatin’ireo fifanarahana sy lalàna iraisam-pirenena ireo […] Heveriko fa zava-dehibe loatra ny hanamafisana izany. Ary fahadisoana ho anay tanteraka mihitsy ny tsy hilaza hoe izao no fahitanay eny an-tsehatra ny fampiharana ny lalàna. » hoy hatrany Hery Rajaonarimampianina.
Miantso ireo manana anjara raharaha rehetra amin’ny fifidianana, fa ihany koa ireo fikambanana iraisam-pirenena mba hijery akaiky ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao alohan’ny fifidianana izao ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina noho izany.



Lire la suite

Articles Similaires