• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Ady amin'ny Délestage : Nahazo kits solaires 1.023 ny Faritra Atsimo Andrefana

26/07/2023 04:56 © Moov.Mg

Mampitaraina vahoaka Malagasy maro ny fahatapahan-jiro matetika, ary tsy vitsy ny faritra voakasik'izany. Tsy azo lavina ny fahasarotana eo amin'ny famokarana herinaratra. Izany indrindra no mampihazakazaka ny ministera mpiahy amin'ny fanatontosana sy fanohanana ny angovo azo avaozina.

« Angovo ho an’ny Daholobe »
Fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy, no natao tany Betioky Atsimo androany 25 Jolay 2023. Nozaraina ireo « kits solaires » ireo mponina mila izany. Hetsika tafiditra indrindra anaty ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo avaozina izany. Fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro no natolotra. Ny « kit » iray dia ahitana « panneau solaire » sy takamoa (ampoule) miisa 2.
Nitarika ny fanolorana ireo « kits solaires » tao Betioky sy nisolo tena ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa Odon Marius RANDRIANAINA. Azon'ireo mponina any an-toerana andefasana jiro sy radio, sady hamahanana finday ireo fitaovana ireo.

Fananganana toeram-pamokarana herinaratra
Tsy mijanona hatreo ny fampisitrihana herinaratra azo avy amin'ny masoandro ho an'ny vahoaka marobe. Efa manomboka mantsy ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Betioky Atsimo. Antenaina araka izany fa tsy hanana olana amin'ny herinaratra intsony ny ao an-toerana afaka fotoana fohy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo