• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Gn Vakinankaratra
Image
Vaovao

Sahanivotry Antsirabe : Niriaria teny an-tsena ilay jiolahy raindahiny efa ela nokarohina Lehery

09/06/2023 11:32 © Midi Madagasikara

Raha ny fampitam-baovao navoakan’ny zandary dia isan’ireo dahalo hikoizana amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana any amin’iny faritra Vakinankaratra iny, indrindra fa tao amin’ny faritra atsinanan’ny distrikan’Antsirabe II sy Fandriana.

Voasambotry ny zandary tao Tsarahonenana Sahanivotry ingahirainy, ny voalohan’ny herinandro lasa teo, raha niriaria toy ny olon-drehetra handeha hiantsena teny an-toerana. Asa inona loatra re ny tao an-tsain’ity olon-dratsy ity tamin’ny fotoana nandehanany niseho teny imasom-bahoaka e ?

Nihevitra tokoa angamba ranamana fa tsy hisy hahafantatra kanjo tsy izay no zava-nitranga. Mety nitoky fatratra tamin’ny zavatra tompoiny angamba ingahirainy. Efa ela no nikarohana azy ary efa vaindohan-draharahan’ny zandary rehetra tany an-toerana ny hisambotra sy hikarohana ity olon-dratsy ity, hoy ny fanazavana azo. Tamin’io andron’ny alatsinainy io, « niriaria toy ny olona rehetra eran’ny tsena ity dahalo sady jiolahy raindahiny ity (…) Vao hitan’ny fokonolona ny fandalovany dia niantso zandary izy ireo ka natao izay fomba hisamborana azy » hoy hatrany teo anivon’ny zandary.

Vao nahazo fampandrenesena araka izany ireo mpitandro filaminana, ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Tsarahonenana dia nidina avy hatrany teny an-toerana, nanao ny velam-pandrika hisamborana azy. Ny hanao savahao ny manodidina aza angamba atao, mainka fa misy manato-potsiny. Tsy ela dia voadidina ingahirainy ary mora foana ny nisambotra azy. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary moa ity farany, ho amin’ny famotorona azy. Taorian’ny fanadihadiana sy fakàna am-bavany azy moa dia efa natolotra ny Fampanoavana i Lehery ary efa nadoboka am-ponja vonjimaika. « Mbola karohina fatratra kosa ireo ekipany. Tsy avelan’ny zandarimaria hitsangatsanganan’ny olondratsy ny faritra iadidiany»

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo