• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Madagasikara

Hasin'ny Taombaovao Malagasy 2023 : Araho amin'ny antsipirihany ireo fombafomba sy hetsika maro teny Ambohidrabiby

24/03/2023 06:16 © Moov.Mg

Nankalazaina roa andro misesy teny amin’ny Vohitra masina Ambohidrabiby ny taombaovao 2023 ny 21 sy 22 marsa. Fotoana iray nahafahana indray nanandratra avo ny hasin’ny maha-Malagasy izany.

Hetsika sy fomba maro isan-karazany no notanterahina nandritra ireo roa andro ireo, izay niraisan’ireo malagasy rehetra nanatrika ny fotoana. Tsy nanavahana foko, fiaviana ary finoana moa izany.

Fanesorana ny ratsy

Niatomboka tamin’ny famelomana ny Afo tsy maty ny fitsenaina ny Taombaovao 2023 ny talata 21 marsa, rehefa vita ny lahadinika nataon’ny filohan’ny fokontanny Ambohidrabiby (solotenam-panjakana), ny teraka Antehiroka, ny filohan’ny trano kolotoraly malagasy, ary ny filohan’ny teraka Ambohidrabiby.

Ny Afo tsy maty dia mariky ny fisedrana sy fiampitana ny taona mifarana ho any amin’ny taona vaovao. Rehefa velona ny Afo tsy maty dia afaka maka amin’izany amin’ny alàlan’ny labozia ireo izay te hitondra any an-tokatranony. Araka ny finoana dia mitondra soa ary manala ny ratsy amin’ny fiainana ny Afo tsy maty. Afaka arehitra izy io rehefa misedra olana (aretina, fahasahiranana, hiatrika fanadinana, sns). Rehefa izany dia tononina mangina ao am-po izay faniriana. Avy eo dia afaka vonoina amin’ny alàlan’ny sotro na amin’ny rantsa-tànana ny afo ary ampirimina ny labozy. Marihina fa tsy tokony ho tsofina io afo io satria manjary ny ainao indray no mamono azy.


Copyright Image : © Moov.mg

Rehefa vita ny fandrehetana ny Afo tsy maty dia miroso amin’ny Fidiovana, izay marihina fa fomba iray ihany koa hanesorana ny ratsy rehetra. Any Andohalo (Ambohidrabiby) no toerana fanaovana izany, ary manomboka amin’ny fakana ny rano ao an-dohasaha izy io. Rehefa izany dia mandroso tsirairay eo amin’ny rano ny vahoaka ka tsofina rano.


Copyright Image : © Moov.mg

Arendrina sy Fandroana

Anisan’ny mbola fanalana ny asan’ny maizina ny Arendrina. Amin’ny Afo tsy maty no andrehetana ireo fanilo. Manodifina ny lapa ny vahoaka manontolo, tarihin’ny mpitsoka mozika. Misy avy eo ny dihy mirindra iarahana mifaly.
Rehefa vita avokoa ny fomba rehetra hanesorana ny ratsy dia mitohy amin’ny Fandroana ny fiomanana amin’ny taombaovao, izay marihina fa ny mpanjaka Ralambo no namorona azy. Fantaro ary fa ny Fandroana dia fanasinana izay nataon’ny mpanjaka fahiny mba hanasinana ny tenany. Fomban’ny mpanajaka tamin’izany aza no manatanteraka azy io rehefa hiomana amin’ny fandraisana ny taona vaovao izy. Izany fomba izany dia arahan’ny mpanjaka ny hoe « Mba ho masina anie aho ».
Ankehitriny dia efa misokatra ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo izany fandroana izany. Fomba iray ary io mba hanomezan-danja ny soatoavina malagasy sy mba hampandroso hasina ny tsirairay. Ny fananana izany hasina izany dia entina hanasoavana ny mpiara-belona. Eny, rehefa eo anivon’ny firaha-monina dia tsara foana ny manotany tena hoe mety ve ny atao ? ampahemendrehana ve no anaovanao zavatra iray ? sy ny hoe mahasoa ny tany ama-monina ve izany ?


Copyright Image : © Moov.mg

Fizaran-kasina sy Saotra

Rehefa tonga ny Asaramanitra, izany hoe ny Taona Vaovao, ny fizaran-kasina no tena anamarihana ny fankalazana. Omena tso-drano avokoa ny mpanotrona rehetra. Nialohavan’ny fangatahana famindram-po tamin’ny Mpahary izany, satria tsy misy mendrika avokoa na iza na iza.
Rehefa vita izany, miroso amin’ny Saotra : fisaorana ny amin'ny taona lasa sady fangataham-pitahiana ny amin'ny taona vaovao. Teny Ambohidrabiby dia miisa telo ireo Omby natao sorona. Nisy fombafomba maro moa ny namonoana ny omby. Anisan’izany ny fitazomana labozia maromaro eny an-tanana. Avy eo dia nanasinana ny fasan’ny Mpanjaka Ralambo ny ran’omby sady nosorana tamin’ny andrin’ireo mpanatrika izay mitady fahasoavana manokana. Marihina moa fa teny amin’ny kianjan’ny lapan’Ambohidrabiby no nanatanterahina ny Saotra. Nanala kapa na kiraro avokoa ireo mpandray anjara ho fanajana ilay “Tany Masina”.


Copyright Image : © Moov.mg

Dihy Malagasy

Koa satria lanonana no resaka, anisan’ny manamarika ny Taombaovao Malagasy ny hiragasy. Tamin’ity taona 2023 ity dia tarika roa no niaka-tsehatra. Samy nampiseho ny kanto malagasy tamin’ny alalan’ny zava-maneno, hira sy dihy izy ireo.
Ny namaranana ny fotoana moa dia ny fizarana vary tondrahin-dronono amin-tantely. Tsy adino ny fanolorana vatomamy anaty saronan-karona kely.


Copyright Image : © Moov.mg

Ny fankalazana ny fitsenana ny taona vaovao toa izao dia mampirehitra indray ilay fitiavan-tanindrazana sy ny fitiavana ny maha-malagasy ny tena. Fotoana iray ihany koa io hifampizarana hasina amin’ny mpiarabelona.

Indro misy tahirin-tsary maromaro mety ahaliana antsika mpanaraka ny Moov.mg


Copyright Image : © Moov.mg

Ireo lehilahy mpanao hiragasy


Copyright Image : © Moov.mg

Ireo mpanotrona tonga niara-nankalaza ny Taona Vaovao 2023 teny Ambohidrabiby


Copyright Image : © Moov.mg

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo