• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Football – CAN 2023 : Nanomboka anio ny fanazaran-tena ho an’ny Barea

19/03/2023 19:11 © Moov.Mg

Anio no nanomboka ny fiomanana, izay tafiditra ao antin’ny fifanintsanana CAN 2023 ho an’ny Barea.

Niala tany amin’ny toerana misy azy avy ary mitoby etsy Ankorondrano nanomboka anio ireo mpilalao voafantina hiatrika ny CAN 2023. Ary tsy ela akory fa anio ihany dia efa niroso tamin’ny fanazara-tena ireo mpilalao.

Hiatrika lalao ny alakamisy ho avy izao

Mitoby etsy ankorondrano manomboka anio ireo mpilalaon’ny BAREA izay hiaro ny voninahim-pirenenana amin’ny lalao CAN 2023. Ny Alakamisy ho avy izao tokoa manko no hisantatra ny lalao, izay tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana CAN 2023, ny Barea. Izany dia ho tontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina.
Io ariva io ary dia nanomboka ny fanazaran-tenan’ireo mpilalao nofidian’ilay teknisianina frantsay, Nicolas Dupuis, ary tetsy amin’ny kianjan’ny annexe Stade Barea Mahamasina no nanatanterahina izany. Io noho izany no fotoana voalohany iarahan’ireto mpilalao navondrona ireto ho amin’ity taona ity.

Ho tonga anio alina ireo mpilalao avy any ivelany

Mbola saika ireo mpilalao avy eto an-toerana avokoa no tonga nanatrika izany fanazaran-tena voalohany izany anio. Fantatra manko fa mbola ny 50%-ny Barea ihany aloha no efa tonga maraina teny Ankorondrano, ary tao anatin'izany i Ibrahim Amada, ilay kapitenin’ny ekipam-pirenenana Malagasy, sy i Melvin ilay mpiandry tsatok'azo.
Fantatra kosa fa tokony higadona eto an-tanindrazana ireo mpilalao avy any ivelany anio alina, raha ny efa natsidiky ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Manomboka rahampitso dia telo andro sisa no ananan’ny Barea hiomanana amin’ilay lalao izay hampifanandrina azy ireo amin’ny ekipan’ny Centrafrique.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo