Fiarovana ny mpanjifa : Ahato aloha ny famarotana vokatra sasantsasany
Nanao fanambarana mikasika ireo fepetra vaovao raisina manoloana ny fahapoizinana ara-tsakafo nitranga ny Ministeran'ny Varotra.
Ny maraina teo, 26 jona, nahasarika mpampiasa tambazotran-tserasera ny fahitana ny ranty nataon'ny Governoran'ny Faritra Boeny fa "hatsahatra ny fampiasana ny menaka HINA".
Fiarovana ny mpanjifa
Efa niteraka resabe io karazana menaka fanao amin'ny sakafo io, izay vokarina orinasa Malagasy ao Toamasina. Na dia efa nisy aza ny fanambarana nataon'ilay orinasa, manamarina fa azo antoka ny vokatra, tsy maintsy miroso amin'ny fizahana ifotony ireo tompon'andraikitra. Naato aloha ny famarotana menaka "en vrac" sy tsy mandry ahiana hitera-doza. Ho averina ny fitiliana, ka nentanina ireo tompon'andraikitra ao amin'ilay orinasa voatondro mba hanamarina ny "circuit de distribution" sy ny dingana rehetra amin'ny famokarana.
Fepetra hentitra
Marihana fa tsy ny menaka ihany no nandraisana fepetra hentitra. Ho an'ny faritra Boeny manokana, nesorina teny anivon'ilay tranombarotra fivarotana voatonona ireo "Charcuteries" nahiana ho nitera-doza. Mbola entanina ihany koa ny mpanjifa tsy hividy izany vokatra izany aloha.
Tsara ny manamarika fa efa mizaha ifotony ny resaka "lafarinina simba" ihany koa ireo tompon'andraikitra. Nopotehina avokoa ireo lafarinina efa lany daty izay nogiazana, mba tsy hisy afaka hikitika intsony.
Entanina ny rehetra mba hiantso ny laharana maitso 961, laharana fitarainana eo anivon'ny Ministeran'ny Varotra, raha mahita entana na tranga mampiahiahy mety hitera-doza.