• Cours de change
  • 5046.41 AR
  • |
  • $4505.02 AR
Copyright Image : © Espaces
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Frilosité » na mangatsia-dava : ireo tsara fantatra mikasik’izany

22/04/2025 11:13 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga tsindraindray ny fahatsapana mangatsiaka. Misy kosa nefa olona sasana mahatsiaro mangatsia-dava na sarotin-katsiaka. Izay no atao hoe « frilosité ». Na dia tsy aretina àry izy io dia mety ho fambaran’ny lafin-javarta samihafa, toy ny fahazaram-piainana na koa soritr’aretina iray. Araho eto ary ireo antony mety mahatonga ny olona iray mangatsia-dava na hoe « frileux ».

Mangatsia-dava na sarotin-katsiaka, ireo antony tsy ara-medikaly

Maro ireo lafin-javatra mifandray amin’ny fomba fiaina na amin’ny tontolo manodidina izay mety mahatonga ny olona iray sarotin-katsiaka :
-Tsy ampy ny hozatra sy ny tavy amin’ny vatana. Ny hozatra dia mamokatra hafanana ary ny tavy amin’ny vatana miaro amin’ny hatsiaka. Ny olona tsy ampy hozatra sy tavy dia mety ho sarotin-katsiaka kokoa.
-Havizanana sy tsy fahampiana torimaso. Rehefa tsy ampy ny fotoana fakàna aina dia lasa mikorontana ny fandrindran’ny « hypothalamus » ny hafanan’ny vatana ka mahatonga azy ho mora handairan’ny hatsiaka.
-Tebiteby sy rarintsaina. Ireo toe-po ireo dia mety hisy fiantraikany amin’ny fikorian’ny rà sy ny fahatsapan’ny vatana ny maripana.
-Tsy fahampiana rano. Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fitazomana ny maripanan’ny vatana ny rano. Raha tsy ampy rano ny vatana dia mety lasa hanakorontana io fiasany io.
-Fikorian’ny rà tsy ara-dalàna. Rehefa tsy mikorina tsara ny rà dia mety ho lasa mangatsiaka ny rantsam-batana toy ny tanana sy ny tongotra. Ny tsy fampiasana vatana, ny fifohana sigara ary ny fanaovana akanjo tery loatra no mety mahatonga izany.
-Sakafo tsy voalanjalanja na tsy ampy « calorie ». Ny sakafo tsy ampy « calorie » na tsy ampy otrikaina dia mety hampikorontana ny famokarana hafanana eo amin’ny vatana.
-Fijanonana maharitra amin’ny hatsiaka. Na dia tsy maharitra loatra ary ny fijanonana amin’ny toerana mangatsiaka dia mety hampaharitra io tsy fahatsapana hatsiaka io.

Ireo aretina mety mahatonga ny « frilosité »

Misy fotoana ny « frilosité » na hoe sarotin-katsiaka dia mety ho fambaran’aretina na tsy fahatomombanana ara-pahasalamana, toy ny :
-« Hypothyroïdie ». Izany hoe misy « glande thyroïde » iray tsy miasa tsara ka lasa tsy ampy ny famokarany « hormones thyroïdiennes ». Ireto farany nefa mitana anjara asa lehibe eo amin’ny vatana sy ny fandrindrana ny hafanana ao aminy.
-« Anémie » na tsy fahampiana rà. Rehefa tsy ampy ny tahan’ny « globules rouges » mandrafitra ny rà dia lasa tsy ara-dalàna ny « oxygénation des tissus ». Izany dia mety miseho amin’ny fahatsapana mangatsia-dava. Ny tsy fahampiana fer moa no isan’ny antony mahatonga ny « anémie ».
-Diabeta. Ny fahasarotana ateraky ny diabeta, toy ny fikorontanan’ny fikorian’ny rà sy ny « dommages nerveux », dia mety mahatonga ilay olona ho mora andairan’hatsiaka, indrindra eo amin’ny tanana sy ny tongotra.
-« Infections » na otrikaretina. Ny fanaviana, izay fomba fanoheran’ny vatana ny otrikaretina, dia mety hiaraka amin’ny fahatsapana mangatsiaka na fangovitana mihintsy aza.

Ahoana ny tokony atao raha mangatsia-dava na sarotin-katsiaka ?

Raha mahatsapa-tena ho sarotin-katsiaka dia mila fantarany ny antony mety mahatonga azy ary mikaroka ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Anisan’ireo afaka atao ny :
-Mandamina ny fomba fiaina. Miezaka ny manao ampy torimaso tsara, mihinana sakafo ara-pahasalamana, misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro, manao fanatanjahantena matetika mba hanatsarana ny fikorian’ny rà ;
-Atao mifanaraka amin’ny toetry ny andro ny akanjo hanaovana. Manao mafana tsara, indrindra rehefa ririnina. Fonosina tsara ny loha, ny tanana sy ny tongotra satria ireo faritra ireo no tena manary hafanana eo amin’ny vatana ;
-Raha mbola matsiaro mangatsiaka sy sarotin-katsiaka foana na dia efa mampiatra ireo torohevitra ireo, na koa misy fambara hafa miaraka aminy toy ny hoe rera-dava, miha mahia, manaintaina, miova endrika ny hoditra… dia mila manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires