Vous êtes ici

16-10-2021 par Midi Madagasikara

Dia mbola mitohy hatrany ! Tany amin’iny lalam-pirenena fahadimy, mampitohy an’i Toamasina sy Soanierana Ivongo iny indray, taxi-brousse « sprinter » iray no tafiala lalana sy nidofitra teny amin’ny « talus », teo amin’ny PK164+970, omaly maraina. Vokany, mpandeha teo amin’ny 14 teo no naratra saingy ny fito tamin’izany no tena voa mafy ary mbola miady aman’aina.


Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina teo no nitranga ity loza ity, raha ny fampitam-baovao. Niainga avy tany Soanierana Ivongo, hihazo an’ny Toamasina izany taxi-brousse izany no izao niharan-doza izao. Raha ny fantatra  hatrany dia vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy voatanan’ny mpamily intsony mantsy ny fiara, raha teo am-piviliana tamin’ny fihodonana iray, niala tokony ho kilaometatra vitsy monja ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana. Tafiala ny lalana araka izany ilay fiara, nivarina tany an-kady ary namarana ny lalany teny amin’ny sisin’ny andrin-tany iray, tany ankaviany. Mafy dia mafy ny dona nahazo, simba tanteraka ny ilany ankavian’ilay fiara, ary tafiala teo amin’ny toerany mihitsy ny « porte bagage ».

 

Samy nahitàna faharatrana avokoa ireo mpandeha rehetra, saingy ny 14 no voatery nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ny fito tamin’izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany no tena voa mafy tokoa. Zaza amam-bolana ny roa, vehivavy 50 sy 31 taona, ary lehilahy 60, 40 ary 16 taona. Ireto farany izay voatery nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly tao Fenoarivo Antsinana. Ireo ambiny kosa nalefa tao amin’ny hôpitaly tao Soanierana Ivongo ihany. Nandray an-tanana ny famonjena ireto farany avy hatrany moa ireo zandary tao an-toerana, raha ny pôlisy kosa no miandraikitra ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity.

 

m.L