Vous êtes ici

22-09-2021 par Midi Madagasikara

Miparitaka izay tsy izy tokoa, raha itony karazan-drongony mahery vaika itony amin’izao eto an-drenivohitra, indrindra fa eny amin’ireo faritra be olona, toy ny eny Antohomadinika iny.


 

Raha ny eny tokoa, dia voalaza fa efa ela ireo mpitandro filaminana no efa nahazo fitarainana mahakasika ny fisian’ny olona mpamatsy heroine. Rehefa nisy ny fanamarinam-baovao sy ny fitsongoana dia, dia voamarina tokoa ny fisian’izany. Tovolahy iray no tra-tehaka teo am-pikasana hitady mpividy vovoka heroine. Tra-tehaka ny herinandro lasa teo ity lehilahy ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena hatrany dia teo am-pisavana azy dia mbola nahitana “dose” heroine miisa roa tany aminy. Ny tany an-tranony aza dia mbola nahitana heroine milanja eo amin’ny 12  grama mahery kely teo. Raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina dia ity tovolahy ity no anisan’ireo mpamatsy itony karazan-drongony mahery vaika eny amin’ny faritra Antohomadinika IVO.

 

Mazava ho azy fa manana mpamongady ranamana izay manome azy ireo botte-na heroine, amin’ny vidiny 2.500 ariary. Izy indray avy eo no mitsinjara izany sy mivarotra azy amin’ny vidiny 3.000 ariary. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ihany moa ity farany ary nadoboka avy hatrany teny Antanimora. Heverina fa mbola hitohy ny fanadihadiana ary hiafara amin’ny fisamborana ireo tena mpamongady sy trondro vaventy amin’ireny fanaparitahana rongony mahery vaika ireny

 

m. L