Vous êtes ici

21-10-2021 par Midi Madagasikara

Tsy lany atao ! Tovolahy iray indray no saron’ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, omaly maraina, teo am-pamahana ireo vy tamin’ny andrin-jiro lehibe, mpitondra herinaratra mahery vaika teny an-toerana.


 

Hary fitaovana mihitsy ireo olon-dratsy. Mbola tra-tehaka teny amin’iny tovolahy ity mantsy ireo « clé » lehibe, famahana ireo bilao mitazona ireo andrin-jiro ireo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina tany ho any, rehefa nahazo antso ny teo anivon’ny zandary ny amin’ny fisiana olona mampiahiahy, mihaodihaody, manodidina ireo andrin-jiro teny amin’ny fokontanin’i Betafo, dia nidina avy hatrany teny an-toerana.

 

Tazana teo tokoa ilay tovolahy ary natao avy hatrany ny fisavàna sy fisamborana azy. Vy lava am-polony maro, mpitazona ireo « pylone » mpitondra herinaratra mahery vaika no hita teny aminy ary ny sasany efa voafono sy tsara afina tsara. Mbola tazana teny aminy ihany ireo fitaovana nentiny namahana izany. Nogiazavana avy hatrany moa ireto vy azony ireo ary efa nampandrenesina ny teo anivon’ny Jirama. Nentina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary teo no ho eo ihany moa ilay tovolahy mba hofotopotorina. Nahitam-bokany tokoa ny fanentanana amin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana, izay imasoan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary amin’izao, hoy ny fanazavana azo avy tamin’ny kaomandin’ity tobim-paritra ity. Tsy mitsahatra amin’izay fanentanana izay tokoa mantsy izy ireo amin’ireo fokontany hiadidian’ity tobim-paritra ity. Tsiahivina mantsy fa vao herinandro vitsy lasa izay no efa nahatratra olona hafa teo am-pangalarana izany vy amin’ny andrin-jiro izany ny zandary, noho ireo fampitam-baovao azon’izy ireo hatrany dia izao indray. Manginy fotsiny ireo olon-dratsy sy tontakely, voasambotra mialoha ny hanantanterahan’izy ireo ny asa ratsiny.

 

m.L