• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Hotokanana mandritra ny Afondasin’Iarivo ireo foto-drafitrasa nohavaozina ao amin’ny Kaominina

16/05/2024 21:09 © Moov

Homena lanja ireo fotodrafitrasa vaovao manoloana ny lapan’ny Tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka ny horonantsary izay hita ao amin’ny pejy ofisilian’ny Kaominina dia hotokanana rahampitso izany mandritra ny hetsika Afondasin’Iarivo.

Fanavaozana

Nasiam-panavaozana ny marika mampiavaka sy mitondra lanja ho an’ny tanànan’Antananarivo. Ao anatin’izany ny « jet d’eau » amin’ny endriny vaovao sy ny tsangambaton’Iarivo. Araka izany ny mponin’Antananarivo dia antsoin’ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanàna Richard Ramanambitana sy ny ny Filohan'ny Filan-kevitra monisipaly Andriamparany Ralitera hanatrika ny afon-dasy lehibe izay karakain’izy ireo. Mandritra izany ihany koa no hanatanterahana ny fitokanana ireto fotodrafitr’asa vaovao ireto. Hanomboka amin’ny enina ora ariva izany izay hotanterahina manoloana ny lapan’ny tanàna. Afaka hankafy ny tarika Iraimbilanja maimaimpoana ihany koa ny mponin’Antananarivo mandritra izany.

Fanatsarana ny tanàna

Manao ny ezaka rehetra hanatsarana ny tanàna ity tompon’andraikitra voalohan’ny tanàna ity. Vao tamin’ny mars 2024 rahateo izy no napetraka teo amin’io toerany io. Taorian’ny naha-lasa minisitra ny ben’ny tanàna teo aloha izay lasa minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Hatramin’izay dia efa manao ny ezaka ny tenany amin’ny fanatsarana ny tanàna. Ny tena tanjona amin’izany moa dia mba hahafahany mamerina indray ny hasin’ny tanàna toy ny taloha. Izany dia mba hahafahan’ny olona mamerina indray ny fitiavana izany renivohitry Madagasikara izany. Ankoatra io fotodrafitr’asa nohavaozina izay mampiavaka ny tanàna io dia anisan’ny asa mandeha amin’izao fotoana izao ihany koa ny fanamboarana ny lalana simba sy mampitaraina ny mponina manerana ny tanàna.

Lire la suite

Articles Similaires