• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fanajariana ny tany : Mbola mila ezaka ny fampiharana sy ny fampiasana ny lalàna momba izany

16/05/2024 11:27 © Moov

Efa ny taona 2015 no voafaritra ny lalàna mahakasika ny fanajariana ny tany sy ny fampiasana ny tany. Azo lazaina mbola tanora ihany izany lalàna izany ary tena mbola maro ireo tsy voahaja tao anatin’izay fotoana izay. Manamafy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny amin’ny tokony hampiaharana izany lalàna izany.

Andraikitra hifampizarana

Nanambara hatrany ny avy ao amin’ity ministera ity tamin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny rafitra fanajariana kaominaly sy eny ifotony fa tena ilaina ho amin’ny tombontsoan’ny daholobe ny fampiharana ity lalàna ity. Samy manana andraikitra amin’izany avokoa ny sampana rehetra isan-tokony. Manomboka any amin’ny ministera izany amin’ny fanapariahana ny lalàna, manaraka izany ny faritra sy ny commune amin’ny fidinana ifotony ho amin’ny fampiharana azy eny amin’ny tontolo manodidina rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny eny ifotony izay hiombonan’ny tompon’ny tany rehetra amin’ny fampifanarahana ny filàna mety amin’izy ireo. « Samy manana ny mety amin’ny tany eny anivon’ny tontolo misy azy ny tsirairay ka ny drafi-panajariana dia hiarahan’ny eny ifotony mamolavola ary hampiakarina amin’ny filan-kevitry ny Governemanta ho lasa lalàna mifanaraka amin’izany », hoy ny Tompon’andraikitra.
Ankoatra izany anefa dia manana adidy ny hiaro ny tombontsoan’ny rehetra ihany koa ireo sampana rehetra ireo. Ny lalana, lakan-drano, zaridaina sy ireo hafa rehetra dia tokony arovana fa tsy omena an’olon-tokana hanorenana.

Ho an’ny tombontsoan’ny daholobe

Anisan’ny tranga fahita matetika amin’ny tsy fanajana izany lalàna izany ny tsy fanajana ny fanorenana manakaiky lalana. Mbola miketrika hatrany ny paik’ady hahafahana mitantana ireo toerana natokana ho an’ny tombontsoan’ny daholo be ny ministera hatramin’izao. Raha araka ny lalàna 2015 # 02 dia voafaritra fa tokony hisy fiandry hatrany ho amin’ny fanitarana ny lalana, na ho an’ny fanorenana ny tombontson’ny rehetra mba hialana amin’ny fanesorana eo amin’ny toerana any aoriana any.
Raha ho an’ny lalam-pirenena dia 15 metatra (15 M) miala ny ampovoan’ny lalana no azo hanorenana. Ny eny amin’ny lalam-paritra kosa dia 10m ary 5m raha ho an’ny lalana kaominaly. Mbola mila fanajana ihany koa ny eny amin’ny lalan-tongotra izay tokony hiala 2m amin’ny ampovoan’ny lalana ary manaraka izany ihany koa ny manamorona ny lakan-drano sy ny « tuyau ».

Lire la suite

Articles Similaires