• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Nomen-danja ny vahaolana manoloana ny fandotoana ateraky ny plastika

05/06/2023 21:24 © Moov.Mg

Nankalazaina anio ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Toamasina no nandray izany fankalazana izany ho an’i Madagasikara.

Niompana tamin’ny fametrahana vahaolana hiadiana amin’ny fandotoana ateraky ny plastika ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, anio, ho an’i Madagasikara.

Hetsika fanentanana

Anisan’ny olana atrehan’ny firenena maneran-tany ankehitriny ireo voka-dratsy ateraky ny plastika. Nisafidy manokana ny hitadiavana sy hametrahana vahaolana momba izany ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovan-jafy amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izao.
Nisy, araka izany, ny hetsika fanentanana izany notanterahana tany Toamasina. Ity farany izay nandray ny ivon’ny fankalazana. Nandritra izany hetsika izany dia nanatanteraka Carnaval ireo mpiara-miombon’antoka. Nanangana trano heva ihany koa ireo orinasa maro ka nampirantiana tamin’izany ny voka-pikarohana izay nataon’izy ireo toa ny fanodinana fako ho lasa akora fampiasa andavanandro.

Fananganana ivon-toerana

Tsy ho ela dia hisokatra ny ivon-toerana fitantanana sy fanodinana fako ao Toamasina. Tetikasam-panjakana izay tanterahana amin’ny alàlan’ny MEDD izy io. Inoana fa hiteraka asa maitso ho an’ny tanora any an-toerana ny fametrahana izany amin’ny alàlan’ny rohim-pihariana haterany. Nandritra io hetsika io ihany koa no nanolorana fanariam-pako vita amin’ny plastika nahodina miisa 15 ho an’ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Tanjona amin’izany ny hanampiana ny tsirairay amin’ny fifantenana ireo fako isan-karazany.
Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara tamin’ny fotoana ny ministra mpiahy, Vina Marie-Orléa. Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka toa an’i Sophie Ratsiraka, ministry ny Asa-tànana sy ny Haitao, i Isabelle Delattre, masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara sy i Isodore Agbokou DRR an’ny PNUD. Ankoatra izay dia teo ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, ny Ben’ny tanànan’i Toamasina.
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ireo tetikasa maro isan-karazany ho fiarovana ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’izany ny fiadiana amin’ny voka-dratsy ateraky ny fampiasana plastika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo