• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Compagnie Imerina Centrale
Image
Vaovao

Manjakandriana : Mpamaky trano sy mpitety vohitra miisa 3 voasambotra

04/06/2023 22:54 © Moov.Mg

Androany vao maraimbe no nifanenjika ny mpangalatra sy ny mpitandro ny filaminana tao Manjakandriana. Vokany, lehilahy 3 no voasambotra. Maro ireo fitaovana sy entana halatra tratra teny amin'izy ireo.

Manjakandriana, 4 jona 2023, 2ora sy sasany maraina. Nisehoana vaky trano tao amin'ny fokontany Nanganehana, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manjakandriana. Nampandrenesin'ny fokonolona ara-potoana ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Manjakandriana, izay efa misy manao "poste fixe" sy fisafoana manerana ny kaominina ambanivohitra Sambaina rahateo ka tonga avy hatrany nanao vonjitaitra.

Efa tafaporitsaka ireo mpangalatra ka raikitra ny fanarahan-dia. Maromaro ireo jiolahy saingy ny telo ihany no tratra. Hita teny ampelatanan'izy ireo ny bala 7,62 milimetatra miisa folo (10) fampiasa amin'ny basy mahery vaika kalachnikov, antsy sy baramina ary fitaovana famakiana trano maro. Tsy vitsy ihany koa ireo entana halatra toy ny vata fahitalavitra sy ny PPN.

Mbola mitohy ny fikarohana sy fanadihadiana hahafahana misambotra ireo jiolahy hafa tafatsoaka nandritra ny fifanjevoana tao anaty haizina.

Fiaraha-miasa

Entanina hatrany ny rehetra mba hampandre ny mpitandro filaminana raha vao misy tranga mampiahiahy. Anisan'ny tena ilain'ny zandary sy ny polisy mantsy ny loharanom-baovao avy amin'ireo olon-tsotra. Tsara raha miantso ny mpitandro filaminana izay akaiky raha misy vaky trano na fanendahana na fampiharana herisetra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo