• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice Madagascar
Image
Vaovao

Fitantanana ny fonja : Hampihatra lamina vaovao ny Ministeran'ny Fitsarana

25/05/2023 05:39 © Moov.Mg

Tsapan'ny Ministeran'ny Fitsarana fa misy tsy tomombana ny fitantanana ny fonja eto Madagasikara. Manomboka izao, hisy lamina apetraka mba isorohana ny isa tafahoatra any anatin'ireny toeram-pamonjana ireny.

Toerana fanarenana ny fonja fa tsy sanatria fampijaliana. Ary ampahatsiahivina fa manana ny zo maha-ombelona azy hatrany ireo voafonja. Noho izany indrindra dia tsy hitazam-potsiny ny fijaliana izay manjo ireo voafonja ny Ministeran'ny Fitsarana. Tamin'ny fitsidihana tampoka ny fonjan'Antanimora moa no nanapahan'ny Ministry ny Fitsarana hevitra fa hampihatra lamina vaovao ny tenany sy ny ekipany mba hanavaozana tanteraka ny fitantanana ny voafonja. Nahatsapa ny tenany fa tery ny Fonja satria mihoatra ny zakan'ny toerana ny isan'ny voafonja. Hita ihany koa fa tsy mifanaraka ny isan'ny voafonja voarakitra anatin'ny boky sy ny voaisa mivantana, misy ny voafonja miasa any ivelany, ary betsaka ny mbola tsy voatsara raha oharina amin'ny voatsara.

Task Force

Natsangana ny "task force" hanatanteraka ny lamin'asa vaovao ho entina manadio ny fitantanana ny Fonja sy ny tontolon'ny Fitsarana ary hanafainganana ny raharaham-pitsarana.
Ho an'ny Mpitantana ny Fonjamben'Antanimora dia hatao mazava ny antotan'isa ka hatokana ny isan'ny voatsara sy mbola tsy voatsara, tsinjaraina ireo voatsara ka hatokana ireo nanao fampakarana, hatokana ireo nangataka fandravana didy. Rehefa vita izay dia hampitoviana ny isa avy any amin'ny Fonjamben' Antanimora sy ny isa eo ampelatanan'ny Fitsarana Anosy. Miainga amin'ny antotan'isa marina mivoaka eo no hitsinjarana ny asa ka atao mitovy ny isan'ny raharaha eo ampelatanan'ny Mpitsara tsirairay, toy izay efa nampiharina tamin'ny Fitsarana ady tany. Ao anatin'ny fanatanterahana izany , dia miato aloha ny famoahana voafonja hiasa any ivelany, mba hahafahana mamoaka ny isa marina.
Vinavinaina ho enimbolana no hanatanterahana io lamin'asa vaovao io, ary hatao manerana an'i Madagasikara, aorian'ny fampiharana azy amin'ny Fonjan' Antanimora.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo