• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Antenimieram-Pirenena
Image
Vaovao

Fifidianana : Mandroso soso-kevitra ny fiaraha-monim-pirenena

23/05/2023 17:29 © Moov.Mg

Anio no fotoana nifanomezan’ireo fiaraha-monim-pirenena mba hihaonana tamin’ireo andrim-panjakana roa manana andraikitra amin’ny fifidianana. Tanjona voalohany tamin’izany ny fanairana ireto farany amin’ny tokony hatsarana ny fikarakarana ny fifidianana.

Tsiahivina fa notarihan’ny hetsika Rohy sy ny Fikambanana Safidy moa ity fotoana androany ity.

Teboka telo no noresahana teny anivon’ny CENI

Niatomboka tamin’ny fanatonana ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny dian’ireo fiaraha-monim-pirenena tsy latsaky ny 100 isa anio. « Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy ny fampiharana ny lalàna mahakasika ny fifidianana ny CENI dia manana adidy amin’ny fandraisana ireo tolo-kevitra fanatsarana mahakasika izany izy ireo. », hoy i Erico Randriarimalala, Mpiandraikitra ny tanora eo anivon’ny fikambanana Safidy. Anjaran’ny eo anivon’ny CENI ihany koa no manery ireo tompon’andraikitra samihafa hijery izany tolo-kevitra izany.
Ankoatra izany dia noresahana androany teny amin’ny CENI ihany koa ny tokony hametrahana ny fangaraharana mahakasika ny teti-bola, ny fandaniana ary ireo pitsopitsony rehetra sy ny teti-bola farafahakeliny ilain’ny vaomiera amin’ny fanatanterahana ny asany dia ny fifidianana izany. Raha fintinina dia adidin’ny vaomiera ny mampahafantatra ny vahoaka amin’ny antsipirihany ny fandaniana rehetra.
Noresahana ihany koa ny momba ny teti-androm-pifidianana. Nampahatsiahy ny CENI ary ireo fiaraha-monim-pirenena amin’ny tokony hanarainy ny fahefana mpanatanteraka mahakasika ny fanapahana ny datim-pifidianana. Araka ny tolo-kevitra nomen’ny CENI tokoa dia ny 09 novambra 2023 no daty hanatanterahana ny fifidianana. Mbola tsy niroso tamin’ny fanapahana izany anefa ny teo anivon’ny governemanta, koa izany indrindra no tokony hanairana sy hanerena ireto farany ankehitriny. Tsiahivina ihany koa fa amin’ity taona ity no tokony hanaovana ny fifidianana ben-ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy tafapetraka izany daty izany.

Fanitsin-dàlana mahakasika ny fifidianana

Taorian’ny fihaonana tamin’ny CENI dia noraisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, ihany koa ireo fiaraha-monim-pirenena. Niompana tamin’ny tolo-kevitra fanatsarana ny lalàna mahasika ny fifidiana izany. « Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny famaritana ireo tokony atao sy ny tsy tokony atao mandritra ny fe-potoana alohan’ny fampielezan-kevitra, fa ihany koa ny faharetany. » hoy hatrany i Erico Randriarimalala.
Ankoatra izany dia ilaina ihany koa ny mamaritra ny faharetan’ny fampielezan-kevitra. « Tokony hitarina 03 volana izany fe-potoanan’ny fampielezan-kevitra izany fa tsy tokony 03 herinandro intsony. » hoy ireo fiaraha-monim-pirenena. Izany no atao dia ny mba hialana amin’ny hoe izay manam-bola ihany no mahavita manao fampielezan-kevitra. Naroson’ireo mpikambana amin’ny fiaraha-monim-pirenena ihany koa ny mahakasika ny fangaharahana ny famatsiam-bolan’ny antoko na ny kandida. Izany dia afaka tanterahana amin’ny alàlan’ny fanokafana kaonty eny anivon’ny banky sy ny fametrahana mpitam-bola, fa indrindra ihany koa ny fanaovana tatitra.

Tsy ekena ny fametrahana ny tetezamita

« Fanimbazimbana ny zo hananan’ny olom-pirenena ny fametrahana izany tetezamita izany ary tsy manaraka ny lalàm-panorenana sy ny tany Repoblikana izay mametraka fa misy ny fifidianana. » araka ny fanazavana nomen’ireo fiaraha-monim-pirenena. « Tsy mila izany tetezamita izany intsony fa ny lalàna manan-keriny ihany no tokony arahana » hoy i Ndranto Razakamanarina, filohan’ny Alliance Voahary Gasy, nanamafy izany. Voalaza ihnay koa fa tsy tokony atakalo fifanarahana politika izany fepetra fototry ny demokrasia sy ny tany repoblikana ary tany tan-dalàna izany.
Manaitra ny rehetra ireo fiaraha-monim-pirenena mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy. Fa ihany koa mba hanaraka an-tsakany sy an-dàvany ireo lalàna mifehy ny fifidianana sy ny manodidina azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo