• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fangalarana fiara eto an-drenivohitra : Olona 11 no voasambotra

27/03/2023 17:04 © Moov.Mg

Vosambotry ny polisy ireo olona 11 voaroiroy amin’ny resaka famonoana mpamily sy fangalarana fiara eto an-drenivohitra.

Raha ny fantatra dia miara-miasa akaiky izy ireo ary efa samy manana ny anjara andraikiny ihany koa.

Miandahy miambavy ny fanaovana asa ratsy

Nanomboka nahazo laka ny fanendahana olona mandeha na mitondra fiara tato ato izay. Tsy afa-bela fa anisan’ireo lasibatra ihany koa ny mpitondra moto. Miasa andro aman’alina ary ireo mpitandro ny filaminana manao haza-lambo ireo mety ho tompon’antoka amin’ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra.
Manoloana izany indrindra dia miasa andro aman’alina ireo polisy manao haza lambo ireo mpanao ratsy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia olona 11 be izao no voasambotra nohon’ny raharaha famonoana mpamily sy fangalarana fiara. Mian-dahy miam-bavy izy ireo no manao izany asa ratsy izany ary efa mivondrona anatina fikambanana kely mihitsy miaraka mikaon-doha hitadiavana indray izay hevitra hahafahana hanaovana ratsy ny mpiara-belona. 5 vavy 6 lahy izy ireo izao niaraka tratra izao.

Manaka, mamono ary mangalatra fiara

Efa manana tetik’ady matipaika ito fikambanan’ny mpanao ratsy iray ito raha ny fomba fiasan’izy ireo no jerena. Efa samy manana ny anjara asany ny tsirairay ao anatin’izany. Araka ny fantatra dia vehivavy no miandraikitra ny fanakanana ireo fiara taxi. Rehefa mijanona ny taxi dia mody miady varotra, ary raha toa ka mety ny resaka dia lehilahy roa izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ralava sy Nike no miaraka miditra aminy ao anaty taxi.
Toerana somary mangina hatrany moa no tenen’izy ireo ho aleha. Ary rehefa tonga any dia ireo lehilahy roa no mamono ho faty ilay mpamily amin’ny antsy. Avelan’izy ireo eo amin’ilay toerana ny mpamily ary entiny mandositra ny fiara. Rehefa izay dia lehilahy telo hafa indray no manohy ny asa. Ireto farany araka izany no mandrava ilay fiara ary maka ny « pièces » ka amidy eny Andravoahangy avy eo.
Ahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpamily taxi Renault9 (R9) teny Amboditsiry ny 19 martsa lasa teo ito fikambanana mpanao ratsy iray ity. Ary mbola mitovy amin’izany ihany ko no nataon’izy ireo ilay fiara taxi super 05 very tetsy Analamahitsy. Tsy tapitra eo fa mbola izy ireo ihany koa no nangalatra ilay fiara « Express » sy namono ilay mpamily tany Ambohimanga raha ny vaovao nampitain’ny Polisim-pirenenana.
Manomboka mahazo laka tokoa ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra, eny fa na ny any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara mihitsy ary. Tsy mandry andro tsy mandry alina ireo tokantrano manoloana ny tsy fandriampahalemana izay miseho etsy sy eroa. Mangin’izany ny fahantrana izay anisany mampirisika ireo mpana ratsy hanao ny asany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo